Tsirkasiana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Saina tsirkasiana

Ny Tsirkasiana, izay miantso ny tenany hoe Adigeana, dia vahoaka tompontany any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Kaokazy, ary vahoaka teratany ao amin' ny faritra manan-tantaran' i Tsirkasia any amin' ny tapany avaratra amin' i Kaokazy. Atao hoe Адыгэхэр / Adıgəxər izy ireo amin' ny teny adigeana sy kabardiana.

Ny finoana silamo no fivavahana nanjaka tamin' izy ireo hatramin' ny taonjato faha-17. I Tsirkasia dia niharan' ny fanafihana miverimberina hatry ny ela; ny faritra mitoka-monina misy azy miaraka amin' ny lanjany stratejika napetraky ny vahoaka ivelany eo amin' ilay faritra dia namolavola ny maha-izy ilay firenena tsirkasiana amin' ny ankapobeny.

Vokatry ny fandripahana ny Tsirkasiana nataon' ny Empira Rosiana tamin' ny taonjato faha-19 nandritra ny ady teo amin' ny Rosiana sy ny Tsirkasiana, ny ankamaroan' ny Tsirkasiana dia natao sesitany avy any amin' ny tanindrazany any Tsirkasia ho any Torkia ankehitriny sy ny sisa amin' ny Afovoany Atsinanana, izay misy ny ankamaroan' izy ireo amin' izao fotoana izao.

I Tsirkasia ara-tantara dia nozarain' ny fitondrana sôvietika sy Rosiana ho repoblika maromaro: Adygea, Kabardino-Balkaria, Karachay-Cherkessia ary Krai Krasnodar, ary koa ny faritra atsimo-andrefana amin'ny Krai Stavropol. Araka izany dia fantatra tamin' ireto anarana ireto ihany koa ny Tsirkasiana: Adigeana any Adygea, Kabardiana any Kabardino-Balkaria, Tserkesy any Karachay-Cherkessia ary Sapsoga ao Krasnodar Krai, na dia iray ihany aza izy efatra ireo.

Diaspôra tsirkasiana

Mipetraka amin' ny faritra sy tanàna federaly telo ao Rosia izy ireo, dia i Adygea izay onenan' ny 23 %, i Karachayevo-Cherkessia izay onenan' ny 11 % ary i Kabardino-Balkaria, izay misy 57,2 %. Tombanana ho 3,7 tapitrisa eo ho eo ny Tsirkasiana any am-pielezana any amin' ny firenena 50 mahery tany am-piandohan' ny taompolo 1990. Ankehitriny dia Tsirkasiana miisa 800 000 eo ho eo no mijanona ao amin' ilay Tsirkasia ara-tantara ary 4 500 000 no mipetraka any an-toeran-kafa.

Ny fitenin' izy ireo dia ny fiteny adigeana, iray amin' ny fiteny kaokaziana andrefana telo, miaraka amin' ny fiteny obika, efa tsy misy mpiiteny intsony, sy ny fiteny abkazy.

Ny sainan’ ny Tsirkasiana dia misy tokontany maitso misy kintana volamena roa ambin' ny folo, ary misy zana-tsipìka miampita telo eo afovoany. Ny kintana roa ambin' ny folo dia maneho ny faritany tsirkasiana roa ambin' ny folo manan-tantara: i Abzakh, i Besleney, i Bzhedugh, i Hatuqway, i Kabardians, i Mamkhegh, i Natukhaj, i Shapsugh, i Chemirgoy, i Ubykh, i Yegeruqway ary i Zhaney.

Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny faritra nonenany ny Tsirkasiana: tany Torkia, ireo manana fiaviana tsirkasiana dia nanana fiantraikany goavana hatramin' ny nahatongavany, ary tsy vitsy tamin' izy ireo ny nandray anjara tamin' ny adim-pahaleovan-tenan' i Torkia ary anisan' ireo sangany ao amin' ny sampan-draharaha mpikaro-baovao tao Torkia; tao Jôrdania dia  nanorina ny renivohitra Amman izy ireo ary mbola mitana anjara toerana ao amin' ilay firenena; tany Siria, izy ireo dia nanao ny asan' ny mpiambina tao amin' ny firenena mpiara-dia (Alliés) amin' ny Nazi ary mbola manana toerana ambony izy ireo amin’ izao; any Libia, izy ireo dia miasa amin’ ny toeran’ ny miaramila ambony; tany Ejipta dia anisan' ny sarangan’ ny mpitondra izy ireo, ary nandray anjara tamin' ny raharaham-barotra nandritra ny fitondran' i Muhammad Ali Pasha.