Epistily ho an' i Filemôna
Ny Epistily ho an' i Filemôna na Epistola nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Filemôna na Taratasy nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Filemôna dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, izay anisan' ireo atao hoe epistily. Taratasy nosoratan' i Paoly ho an' i Filemôna izany. Azo lazaina ho naman' ireo atao hoe Epistily pastôraly nosoratan' i Paoly io epistily io. Tsy misy afa-tsy toko iray monja ity boky ity.
Ny anaran' ny boky
[hanova | hanova ny fango]Επιστολή προς Φιλήμονα / Epistolê pros Philemona no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula ad Philemonem kosa amin' ny teny latina.
Fotoana sy toerana nanoratana
[hanova | hanova ny fango]Tany am-pigadrana no nanoratan' i Paoly ity taratasy ity, tokony ho tamin' ny taona 62 taor. J.K., tamin' ny fotoana nahavoafonja azy tany Rôma. Ity taratasy manokana ity dia mety nalefany miaraka amin' ny taratasy ho an' ny Kristiana rehetra tany Kôlôsia, dia ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana, izay nampitondrainy an' i Tikiko[1].
Zava-misy manodidina sy famintinana
[hanova | hanova ny fango]Miresaka raharaha manokana tsy itambarana amin' ny olon-drehetra ilay taratasy nosoratan' i Paoly ho an' i Filemôna. Taratasy fiarovana ny mpanompo (andevo) atao hoe Ônesimo, izay niova ho Kristiana nanaraka an' i Paoly taorian' ny fandosirany avy any amin' i Filemôna tompony, izay Kristiana tao amin' ny tanànan' i Kôlôsia. Niangavy an' i Filemôna handray an' i Ônesimo sahala amin' ny rahalahy sy hamela ny helony i Paoly.
Mampiseho ny tokony ho fomban' ny Kristiana tamin' ny taonjato voalohany manoloana ny fanandevozana ity taratasy ity. Tsy manoro fomba fifampitondrana voafaritra mazava amin' ny antsipiriany tokony hananan' ny Kristiana manana mpanompo (andevo) i Paoly, fa mangataka azy ireo mba handray ny mpanompony hifanaraka amin' ny finoana maha Kristiana.
Ny tena misongadina ao amin' ity epistily ity dia ny hafanam-pon' i Paoly miresaka momba ny raharahan' ny tsirairay manokana sy olana maro mahakasika ny daholobe.
Io zavatra nataon' i Paoly hanatsarana ny fifandraisan' i Ônesimo sy i Filemôna io no nataon' i Kristy hifandraisan' ny Kristiana amin' Andriamanitra: mitsetra (Fil. 10:20), manelanelana (Fil. 9:10), manefa trosa (Fil. 18:19).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Epistily ho an' ny Rômana,
- Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana,
- Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana,
- Epistily ho an' ny Galatiana,
- Epistily ho an' ny Efesiana,
- Epistily ho an' ny Filipiana,
- Epistily ho an' ny Kôlôsiana,
- Epistily voalohany ho an' ny Tasalôniana,
- Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana,
- Epistily voalohany ho an' i Timôty,
- Epistily faharoa ho an' i Timôty,
- Epistily ho an' i Titosy,
- Epistily ho an' i Filemôna
Boky hafa ao amin' ny Baiboly:
- Filazantsara (Matio - Marka - Lioka - Joany)
- Epistily katôlika (Jakoba - 1Petera - 2Petera - 1Joany - 2Joany - 3Joany, Joda)
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Jereo: Epistily ho an' ny Kôlôsiana 4:7-9