Eglizy Katôlika Tranainy

Avy amin'i Wikipedia
Eveka "katôlika traniny"

Ny Eglizy Katôlika Tranainy, Katôlika Tranainy, na Hetsika Katôlika Tranainy dia ireo antokon' ny Kristiana tandrefana manao ny tenany ho mihazona ny fandalàna tanteraka ny foto-pampianarana sy ny lovam-pampianarana tao amin' ny Fiangonana mbola tsy voazarazara nefa nisaraka tamin' ny Eglizy Katôlika Rômana taorian' ny Kônsily Vatikana Voalohany tamin’ ny taona 1869-1870.

Ny teny hoe "Katôlika Tranainy" dia nampiasain' ny antokom-pivavahana nisaraka tamin' ny Eglizy Katôlika Rômana nanomboka tamin' ny taompolo 1850 noho ny foto-pampianarana sasany, indrindra mikasika ny fahefan' ny papa sy ny tsy fetezan-disony. Ny sasany amin' ireo vondrona ireo, indrindra fa any Nederlandy, dia efa nisy ela be talohan' io anarana io.

Vondrona roa amin' ny Eglizy Katôlika Tranainy no misy amin' izao fotoana izao: ny Utrecher Union (UU) sy ny Union of Scranton (US). Samy tsy misy miombona tanteraka amin' ny Fiketrahana Masina. Ny fiangonana mpikambana ao amin' ny Utrecher Union dia miombona tanteraka amin' ny Fiangonana Loterana Evanjelika any Soeda sy ny Fiombonana Anglikana; ary maro ny fiangonana ao amin' ny Utrecher Union no mpikambana ao amin' ny Fiombonan' ny Fiangonana Maneran-Tany (World Council of Churches).

Ireo vondrona roa ireo dia samy nitantara ny fiandohany hatramin' ny taonjato faha-18 rehefa tsy nety nankatò ny fahefan' ny papa ny mpikambana tao amin' ny Fiketrahan' i Utrecht ka nesorina tsy ho anisan' ny fiangonana. Ireo Katôlika tatỳ aoriana izay tsy niombon-kevitra tamin' ny tenim-pinoana katôlika rômana momba ny tsy fetezan-dison' ny papa araka ny nofaritan’ny Konsily Vatikana Voalohany (1870) dia tsy nanana eveka taorian' izay ary nikambana tamin' ny Fiketrahan' i Utrecht mba hanangana ny Firaisana Utrecht an' ny Eglizy Katôlika Tranainy. Ankehitriny, ny fiangonana ao amin' ny Utrechter Union dia hita indrindra any Alemaina, any Soisa, any Nederlandy, any Aotrisy, any Pôlônina ary any amin' ny Repoblika Tseky.

Tamin' ny taona 2008 dia nanangana ny Union of Scranton ny Polish National Catholic Church (any Etazonia) ary nisaraka tamin' ny Utrecht Union. Izany dia natao ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Utrecht Union tamin' ny fanaovana ôrdinasiôna vehivavy sy ny fitsofan-drano ny fanambadian' ny mitovy fananahana. Nanatevin-daharana ny Union of Scranton koa ny Den Nordisk-Katolske Kirke (any Nôrvezy) tatỳ aoriana.

Ny Eglizy Katôlika Tranainy dia misaraka sy miavaka amin' ny katôlisisma mandala ny fomba mahazatra (tradisiônalista).