Eglise Universelle du Royaume de Dieu

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantarana ny EURD

Ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany izay antsoina hoe Église universelle du Royaume de Dieu amin' ny teny frantsay na Igreja Universal do Reino de Deus amin' ny teny pôrtogey dia antokom-pinoana evanjelika karismatika, izay manana ny foibeny dia ao amin' ny Tempolin' i Sôlômôna (Templo de Salomão) any São Paulo, Brezila. Ny fiangonana dia naorin' ny eveka Edir Macedo tamin' ny taona 1977 tao Rio de Janeiro, izay tompon' ny orinasa fahitalavitra RecordTV (nanomboka tamin' ny taona 1989).

Tamin' ny 1999 dia nilaza ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany fa manana mpikambana 8 tapitrisa ao Brezila ary efa noheverina ho "fiangonana ara-barotra". Nanangana tempoly tany amin' ny Fanjakana Mitambatra sy tany Afrika ary India ilay antokom-pivavahana, izay nanambara ny fitambaran’ ny mpikambana ao aminy ho maherin’ ny 12 tapitrisa maneran-tany tamin’ io taona io. Tamin’ ny taona 2013, dia nanana kôngregasiôna tao New York City ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany, ary — araka ny tranonkalany any Etazonia — tamin’ ny taona 2019 dia nanana kôngregasiôna 300 mahery tany amin’ ny fanjakana 33 any Etazonia izy. Ny fiangonana dia nanohana an' i Jair Bolsonaro ho filoha tamin' ny fifidianana ankapobeny breziliana 2018, izay nandreseny.

Tamin' ny taona 2017 dia niatrika fiampangana ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany fa nanangana zaza tany Pôrtogaly sy nitondra azy ireo tany ivelany tamin' ny fomba tsy ara-dalàna. Voampanga ho nanao hetsika tsy ara-dalàna sy kolikoly koa izy, anisan' izany ny famotsiam-bola, ny fisolokiana, ary ny famosaviana, ary koa ny tsy fandeferana amin' ny fivavahana hafa. Nisy ihany koa ny fiampangana azy ireo fa maka vola amin' ny mpikambana mahantra ny fiangonana ho tombontsoan' ny mpitondra ao aminy. Tamin' ny taona 2000 dia nisy pastora ao amin' ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany monina any Londres nikarakara fandroahana devoly izay niafara tamin' ny fahafatesan' ny zaza iray sy ny fanamelohana ireo mpiambina azy ho namono olona. Voarara ny Fiangonan' ny Fanjakan' Andriamanitra Maneran-Tany any amin' ny firenena afrikanina maromaro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]