Église universelle du Royaume de Dieu (Madagasikara)
Ny Église Universelle du Royaume de Dieu dia fiangonana evanjelika karismatika avy any Brezila nentina Breziliana teto Madagasikara sy niorina tao Antanimena Antananarivo. Ity fiangonana ity ihany koa no tompon' ny fampielezam-peo sy fahitalavitra Record tamin' ny fotoana nijoroany azy teto amin' ny firenena.
Nofoanan' ny fitondram-panjakana malagasy ilay fiangonana noho ny mpikambana sasany tao aminy nampangaina ho nandoro Baiboly tany Fianarantsoa sy nanakorontana ny filaminam-bahoaka[1][2][3]. Toa tsy nanana ny fomban' ny fiangonana ilay fikambanana fa sahala amin' ny orinasa vahiny.
Rehefa rava io fiangonana io izay notantanin' ny vahiny dia nanangana ny Fiangonan' ny Vondrona Kristianin' ny Fanahy Masina (FVKFM) ny mpino malagasy tao aminy. Tsy tafasaraka tanteraka anefa ireo fiangonana roa ireo satria mbola misy ny fandefasan' ilay fiangonana maneran-tany pastora sy mpanampy avy any ivelany (avy atsy Afrika) hitoriteny ao amin' ny FVKFM aty Madagasikara. Tsy teto Madagasikara ihany no nisy olana ity Fiangonana ity fa tany Angola[4] sy Sao Tome[5] ihany koa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Un culte qui fâche les Malgaches", lexpress.mu,
- ↑ "Madagascar expulse les pasteurs étrangers d'un groupement religieux non autorisé", reformes.ch, 24 mars 2005
- ↑ "Madagascar" (PDF), state.gov,
- ↑ Pastora Angoley maromaro nisintaka tamin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany https://mg.globalvoices.org/2020/07/20/149037/
- ↑ Mikomy amin'ny EURD ny mponina ao Sao Tome ary mitaky ny fampodiana ilay pasitera notorian'io fiangonana io https://mg.globalvoices.org/2019/12/03/145393/