Dinastia kajara
Ny dinastia Kajara dia fianakavia-mpanjaka iraniana (persiana) manam-piavana torka, izay avy ao amin'ny foko kajara, izay nanapaka an'i Iràna tamin'ny taona 1789 hatramin'ny taona 1925. Atao hoe سلسله قاجار / Selsele-ye Qājār izy amin'ny teny persana. Nanapaka an'i Iràna manontolo ny Kajara tamin'ny taona 1794, rehefa nanongana an'i Lotf 'Ali Khan, ilay shah farany avy amin'ny dinastia Zanda, ka nanamafy ny fiandrianam-pirenen'i Iràna sy ny fahefany amin'ny ampahany lehibe amin'i Kaokazy. Tamin'ny taona 1796 dia naka tanànan'i Mashhad mora foana i Mohammad Khan Qajar, ka nanapitra ny fanjakan'ny dinastian'ny Afsarida. Tamin'izay no nametrahana an'i Mohammad Khan ho shah taorian'ny ady famaizana nataony tamin'ny Jeorjiana fehezin'i Iràna. Tao Kaokazy dia nihavery tsikelikely ny tanin'i Iràna nofeheziny ny Kajara tamin'ny ady nifanandrenany tamin'ny Rosiana nandritra ny taonjato faha-19, ka isan'izany i Jeorjia sy i Dagestàna sy i Azerbaijana ary i Armenia.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia:
- Empira akemenida (550-330 tal. J.K.)
- Empira helenistika seleokida (330-124 tal. J.K.)
- Fanjakan'ny Arsakida (247 tal. J.K - 224 taor. J.K.)
- Empira sasanida (224-651 taor. J.K.)
- Diastia safavida (1501-1736 taor. J.K.)
- Dinastia afsarida (1736-1796 taor. J.K.)
- Dinastia zanda (1751-1794)
- Dinastia kajara (1785-1925 taor. J.K.)