Dariôsy I

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Darius Ier)
Dariosy I
Sary:Darius the great. jpg.jpg, Darius detail on the Darius vase.jpg
Ankapobeny
Anarana Dariosy I
Teraka 550 tal. J.K.
Maty 486 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Iràna
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Dariôsy I na Dariôsy Lehibe dia mpanjakan' i Persia teo anelanelan' ny taona 521 sy 486 tal. J.K. izay isan' ny fianakaviana akemenida. Tamin' ny taona 558 na 550 izy no teraka ary maty tamin' ny taona 486 tal. J.K.

Atao hoe Δαρεῖος / Dareîos izy amin' ny teny grika, Dārīus na Dārēus amin' ny teny latina, داریوش‎ / Dāryuš amin' ny teny persana vaovao, דָּרְיָוֶשׁ / Dāryāwéš amin' ny teny hebreo Avy amin' ny anarana persana taloha hoe Dārayauš izay fanafohezana ny hoe Dārayavaʰuš io anarana io.

Resahina ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Bokin' i Hagay (na Akjea) sy ny Bokin' i Zakaria sy ny Bokin' i Ezra (na Esdrasa) ary ny Bokin' i Nehemia i Dariôsy Lehibe.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Zanaky ny governora persiana atao hoe Histapesy sady zafikelin' i Arsamesy i Dariôsy I. Ny vadiny dia i Atosa sy i Artistone ary i Parmisy. Ny zanany dia i Kserksesy, i Abrokomesy, i Arsamesy, i Gobriasy, i Artobazanesy, i Ariabignesy, i Ariamenesy, i Artazostre ary i Masistesy.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 522 tal. J.K. tamin' ny nahafatesan' i Kambisesy II dia misy Magy (mpisorona persiana) izay niezaka naka ny fitondrana ho an' ny iray amin' izy ireo, dia i Gaomata izay nisandoka ho i Bardia (ataon' ny Grika hoe Smerdisy) zanak' i Kirôsy II. Tamin' ny taona 521 tal. J.K. i Dariosa I dia nampamono an' i Gaomata ka lasa mpanjakan' i Persia amin' izay.

Nananao izay hampitsahatra ny fikomiana maro i Dariôsy I tamin' ny roa taona voalohany nitondrany. Ny lehibe indrindra tamin' izany fikomiana izany dia ny tao Babilôna. Niezaka nandamina ny fanjakana i Dariôsy I. Nozarainy ho faritany (na satrapia) 20 ny tanim-panjakany, ka nampifandraisiny tanmin' ny alalan' ny lalana maro ny faritra rehetra. Nampangady lakandrano mampitohy an' i Nily amin' ny Ranomasina Mena koa izy, ka nampiroborobo ny raharaham-barotra izany sady izy no nampanamboatra vola voalohany, dia ny vola darika volamena. Nataony tao Persepôlisy (izay ataon' ny Pesiana hoe Takht-e Jamshid) ny renivohitry ny fanjakàny, izay nanorenany trano sy lapa lehibe miezinezina, dia ny lapa (persiana: āpādānā) izay fandraisany olona fanaovany fety.

Navelany ka tsy nenjehiny ny fivavahana maro hafa ka izany no nahatonga ny Jiosy hanaja azy, dia ny Jiosy izay navelany hanamboatra ny Tempolin' i Jerosalema tamin' ny taona 516 tal J.K. Nanaja azy koa ny Egiptiana izay nanana mpisorona lasa mpanolo-tsaina an' i Dariôsy I.

Mba hiarovany ny sisin-tanin' ny fanjakany dia niezaka naka tany nanamorona ny renirano Indosy any atsinanana sy any Kaokazy any avaratra atsinanana i Dariôsy I, nefa tsy nahomby izany tamin' ny taona 516 tal. J.K. tamin' ny nandefasany miaramila hiady amin' ireo foko tao Danube.

Tamin' ny taona 499 tal. J.K. dia maro ireo mpila ravin' ahitra grika avy any Azia Minora nikomy tamin' ny mpanjaka persiana. Rehefa nitsahatra ny fikomiana tamin' ny taona 493 tal. J.K. dia tapa-kevitra izy haka an' i Grisia (na Gresy), ka nandefa tafika hanafay ny tananan' i Atena izay nanohana ny mpikomy. Izany no niantombohan' ny adin' ny Grika sy ny Persiana akemenida. Tamin' ny taona 492 tal. J.K. dia ny tafika notarihin' i Mardôniôsy vinanton' i Dariôsy I niampita an' i Bôsfôro (andilan-tany mampitohy ny Ranomasina Mainty amin' ny Ranomasina Marmara) ka niditra tao Traka (grika: Θρᾴκη / Thrákê). Tsy tody tany Grisia anefa izany satria rendrika teo akaikin' ny tanjon' ny tendrombohitra Atôsy ny antsasaky ny andian-tsambo saika hanampy azy. Tamin' ny taona 490 tal. J.K. dia nandefa tafika matanjaka nobaikoin' i Artafernesy (persiana: Irdanirpa) (ana-drahalahin' i Dariôsy I) sy ilay Mediana atao hoe Datisy ny Persiana niditra tao Grisia avy ao avaratra, nefa resy tamin' ny ady tao Maratôna.

Matin' aretina tamin' ny taona 486 tal. J.K. i Dariôsy I, raha niomana hitarika tafika fanintelony hiady amin' ny Ateniana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirosy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]