Covax Facility

Avy amin'i Wikipedia

Ny COVAX Facility dia ezaka iombonana natao mba hanampiana ny firenena mahantra hahazo amin' ny vidiny mirary ny vaksiny fanefitra amin' ny Covid-19, izay natsangana tamin' ny volana Septambra 2020 ao amin' ilay fikambanana iraisam-pirenena atao hoe GAVI (Global Alliance for Vaccines and Immunization), izay misahana ny fanamaivanana ny vesatra amin' ny alalan' ny fividiana iarahan' ny fikambanana na firenena maromaro sy ny fitsinjarana ara-drariny ny vaksiny nokasaina hovokarina hiadiana amin' ny Covid-19.

Ny GAVI[hanova | hanova ny fango]

I Bill Gate, mandray fitenenana tao amin' ny fivorian' ny GAVI nampiantranoin' i Britaina Lehibe tamin' ny taona 2011.

Ny GAVI (Global Alliance for Vaccines and Immunization) dia fikambanana irasam-pirenena niforona tamin' ny taona 2000[1], izay manana endrika fiaraha-miombona antoka amin' ny fanjakana sy tsy miankina momba ny fampitomboana ny hery fiarovana ny tenan' ny olombelona, izay manao tanjona ny hanafainganana ny fandrosoan' ny firenena mahantra amin' ny fahazoan' ny ankizy ny vaksiny sy amin' ny karazam-baksiny maro azo omena. Ny GAVI dia mamondrona ireo manam-pahaizana ara-teknika ao amin' ny OMS, ny tanjaka ahafaha-mividy vaksiny ampiasain' ny UNICEF ary ny fahaiza-manao ara-bola ananan' ny Banky Iraisam-Pirenena. Manangona koa ny fahalalana momba ny fikarohana sy momba ny fampandrosoana ny orinasa mpanamboatra vaksiny, ary ny hevitr' ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo fanjakana sy tsy miankina mpanao fanomezana lehibe toy ny Bill & Melinda Gates Foundation (BMGF). Amin' izao fotoana mampihanaka ny valanaretina Covid-19 izao dia nanolotra ny Covax Facility ny GAVI.

Isan' ny mpandray anjara mavitrika i Nôrvezy, ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa, i Italia, i Espaina, i Soeda, i Brezily ary i Afrika Atsimo, mandray anjara koa ny UNICEF sy ny OMS[2].

Ny Covax Facility[hanova | hanova ny fango]

Nahazo fanampiana avy amin' ny Vondrona Eorôpeana io ezaka io[3]. Izao no fanalavana ny hoe Covax: Covid-19 ACT Accelerator.

Fandraidana anjara[hanova | hanova ny fango]

Mandray anjara amin' ity ezaka iombonana ity ireo orinasa lehibe mpanamboatra fanafody[4]. Tamin' ny volana Septambra 2020 dia nitsipaka izany fiaraha-miasa izany i Etazonia tamin' ny fanambaràny ny fahalovan' ny OMS sy ny fitsabahan' i Sina[5]. Tamin' ny voalohany dia nanda tsy handray anjara i Sina sy i Rosia, nefa tamin' ny volana Oktobra 2020 dia nirotsaka an-tsehatra ihany i Sina mba hampitombo ny lazany manera-tany.

Fandraisana ilay fandaharan' asa eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny volana Novambra 2020 dia nanao fanambaràna fandavana ny handray ny vaksiny atolotry ny Covax ny fitondram-panjakana malagasy[6]. Tamin' ny volana Marsa 2021, na dia tsy ampy ny mpitsabo sady ratsy ny fitaovana, dia tsy taitra amin' ny vaksiny ny fitondram-panjakana malagasy ka tsy nanao fangatahana amin' ny Covax fa mijery fotsiny ny fivoaran' ny fanaovam-baksin' ny firenena any ivelany[7]. Tamin' ny 31 Marsa 2021 vao naneho ny fanapahan-keviny hanafatra vaksiny hiadiana amin' ny Covid-19 ny filoham-pirenena malagasy. Nanao fangatahana tamin' ny GAVI mba hisitrahan' ny vahoaka malagasy ny fanampiana avy amin' ny Covax ny fitondram-panjakana malagasy. Nanombola tamin' ny 10 Mey 2021 ny fanaovana vaksiny hiadiana amin' ny Covid-19. Ny miisitry ny fahasalamam-bahoaka Jean Louis Rakotovao no nisantarana izany, sady niaro ny fampiasana ny CVO isan' andro ihany koa[8].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "https://www.gavi.org/fr (Tahiry)"
  2. "4,3 milliards de dollars collectés pour un programme mondial de vaccination", Le Monde,‎ 13 Jona 2011([tahiry])
  3. "EU increases its contribution to COVAX to €500 million to secure COVID-19 vaccines for low and middle-income countries [tahiry]", ec.europa.eu.
  4. "COVID-19: Oxford/AstraZeneca vaccine a boost for global access, but huge inequality remains [tahiry]", amnesty.org
  5. "Shortsighted” and “Self-defeating”: US rejects global COVID-19 vaccine effort [tahiry]", arstechnica.com
  6. "Overdose de vaccin", L'Express de Madagascar
  7. "Covid-19 à Madagascar: en pleine seconde vague, le gouvernement en attente sur les vaccins", https://www.rfi.fr
  8. "Madagascar: Andry Rajoelina consent à l'introduction de vaccins anti-Covid", https://www.rfi.fr/