Boky fahatelon'i Esdrasa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Anaran'ny boky[hanova | hanova ny fango]

Ny Boky fahatelon’i Esdrasa na Esdrasa grika dia atao hoe 2 Izra ao amin’ny Baiboly ortodoksa etiopiana -- 2Ezdra ao aminn’y Baiboly ortodoksa slavonika ary 1 Esdras kosa ao amin’ny fandaharana ny apokrifa amin’ny teny anglisy. Hita ao amin’ny Septoaginta (na Septanta) sy ao amin’ny Volgata io boky io. Tsy i Ezra (na Esdrasa no nanoratra azy.

Fotoana nanoratana[hanova | hanova ny fango]

Nosoratana tamin’ny taonjato voalohany tal. J.K. mety ho tao Aleksandria io boky io, nampiasain’ny Jiosy amin’ny fampielezan-keviny. Fitambatambaran-dahatsoratra mitantara indrindra ny fiverenana avy any am-pahababoana no mamorona io boky io. Miavaka amin’izany ireo andalana momba ny tantaran’i Zorobabela (3Esdr. 3.1 – 5.6). Misy ny mihevitra fa sombin’ny boky lehibe atao hoe Tantara-Ezra-Nehemia amin’ny dikan-teny grika ireo andalana ireo. Ity ny fafana mampiseho ireo boky amin'ny anaran'i Ezra mety hafangaro:

Fafana fampitahana[hanova | hanova ny fango]

Misy maro ny soratra amin’ny anaran’i Ezra ka mety hitambatra ho boky iray ny sasany arakaraka ny fiangonana na ny Baiboly na ny fiteny itanisana azy. Mety hiova araka izany koa ny laharan'izy ireo.

Ny iantsoana azy ato amin’ny Wikipedia malagasy Anarana omen’ny mpikaroka Volgata Slavonika Etiopiana Anglisy
Bokin’i Esdrasa - 1Esdrasa 1Esdras 1Ezdra 1Izra Ezra
Bokin’i Nehemia - 2Esdrasa 2Esdras Nehemia Nehemiah
Esdrasa grika 3Esdrasa 3Esdrasa 3Esdras 2Ezdra 2Izra 1Esdras
4Esdrasa 5Esdrasa 5Esdrasa 4Esdras

(Esdrasa latina)

3Ezdra - 2Esdras
Apokalipsan’i Esdrasa 4Esdrasa Izra Sutuel

(ዕዝራ ሱቱኤል)

6Esdrasa 6Esdrasa -

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]