Apôkalipsin' i Esdrasa
Ny Apôkalipsin' i Esdrasa na Apôkalipsy jiosin' i Esdrasa dia soratra apôkrifa na pseodepigrafan' ny Baiboly. Mitantara indrindra ny resaka nifanaovan' i Ezra (na Esdrasa) sy ny arkanjely Oriela ao amin' ny fahitana io boky io. Tsy i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra io boky io. Tantaraina ao ny fahitana fito niseho tamin' i Ezra (na Esdrasa), izay miresaka ny amin' ny fahotana sy ny famonjena ary ny andro farany.
Ny anaran' ilay boky
[hanova | hanova ny fango]Ampahany lehibe ao amin' ilay atao hoe Boky fahefatr' i Esdrasa io soratra io ka mety hantsoina hoe Boky fahefatr' i Esdrasa ihany koa. Manao azy hoe 3Ezdra, ny Ôrtôdôksa slavônika, fa ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa etiôpiana izay manao azy ho deoterôkanônika dia tao hoe ዕዝራ ሱቱኤል / Izra Sutuel io boky io.
| Ny iantsoana azy ato amin’ ny Wikipedia malagasy | Anarana omen’ ny mpikaroka | Volgata | Slavônika | Etiôpiana | Anglisy | |
| Bokin’ i Esdrasa | - | 1Esdrasa | 1Esdras | 1Ezdra | 1Izra | Ezra |
| Bokin’ i Nehemia | - | 2Esdrasa | 2Esdras | Nehemia | Nehemiah | |
| Esdrasa grika | 3Esdrasa | 3Esdrasa | 3Esdras | 2Ezdra | 2Izra | 1Esdras |
| 4Esdrasa | 5Esdrasa | 5Esdrasa | 4Esdras
(Esdrasa latina) |
3Ezdra | - | 2Esdras |
| Apôkalipsin' i Esdrasa | 4Esdrasa | Izra Sutuel
(ዕዝራ ሱቱኤል) | ||||
| 6Esdrasa | 6Esdrasa | - | ||||
Ny fahitan' i Ezra
[hanova | hanova ny fango]Ny fahitana voalohany
[hanova | hanova ny fango]Mahakasika ny fahotana sy ny famonjena ny fahitana voalohany, ary tsapa ny fanakaikezany ny epistilin' i Paoly. Araka io fahitana io dia mandalo ny zava-tsarotra atrehina amin' izao fotoana izao fa ho tonga ihany ny valisoan' ny marina rehefa tratra ny isa izay tokony ho fenoina.
Ny fahitana faharoa
[hanova | hanova ny fango]Nohazavain' ny anjely Oriela ny fahafaham-baraka mihatra amin' ny vahoaka jiosy. Ho tsaraina ny olon-drehetra amin' ny Andron' ny fitsarana: ny Zanak' olona aloha no hitsara, avy eo Andriamanitra amin' izay, ka izany no Andro farany.
Ny fahitana fahatelo
[hanova | hanova ny fango]Manohy ny resaka momba fahotana sy famonjena ny fahitana fahatelo. Tsy ho azo ny fahasambarana raha tsy amin' ny fahavitan' ny asa sy fahoriana maro. Vitsy tahaka ny volamena sy ny vatosoa sarobidy hovoavonjy. Raha tsy hamaivanin' Andriamanitra ny enta-mavesatsika dia tsy hisy olona afaka hiaina. Ho any amin' Andriamanitra mandrakizay ny fanahin' ny olo-marina, fa ny an' ny mpanota kosa dia hirenireny sy hijaly. Tsy misy ny fanelanelanana azo atao amin' ny olona efa maty fa samy hijinja ny fahamarinana na ny tsy fahamarinana nataony ny tsirairay.
Ny fahitana fahefatra
[hanova | hanova ny fango]I Ezra dia nahita vehivavy momba izay misaona fa maty anaka tamin' ny andro nahaterahany azy, izay tsy hita fa nosoloan' ny vaviantitra iray. Nilaza i Oriela fa i Ziôna io vehivavy io ary ny zanany dia ny fandravana an' i Jerosalema nefa hiseho ihany ny voninahitr' ilay tanàna masina vaovao.
Ny fahitana fahadimy
[hanova | hanova ny fango]Mitovy amin' izay hita ao amin' ny toko faha-7 ao amin' ny Bokin' i Daniela ny fahitana fahadimy, dia ilay voromahery telo loha izay tsy iza fa ny fahefan' i Rôma (angamba i Vespasiano sy i Titosy ary i Dômitiano), na ny firenena rehetra mampahory ny tany sy ny olo-marina, mivoaka avy ao an-dranomasina. Ho levona izy fa ny tany kosa hafahana amin' ny fahoriany (ampitahao: bibidia fahefatra ao amin' ny Daniela 12.11).
Ny fahitana fahenina
[hanova | hanova ny fango]Miseho amin' ny endrik' olona ny Mesia (ampitahao: "zanak' olona" ao amin' ny Daniela 7:13), izay miakatra avy any an-dranomasina sy mitaingin-drahona, sady mandevona ny fahavalony amin' ny alalan' ny lelafo sy vainafo mitambolimbolina mivoaka avy ao am-bavany, na eto an-tany na amin' izao rehetra izao, sady manafaka ny olona nofidiny (ampitahao amin' ny Apôk. 19:11-12).
Ny fahitana fahafito
[hanova | hanova ny fango]Nangataka ny Fanahy Masina tamin' Andriamanitra i Ezra mba ho tonga aminy hahafahany manoratra izay miseho eto amin' izao tontolo izao sy izay voasoratra ao amin' ny Lalàna. Ny ampahany iray amin' izany fahitana izany ihany no voahazava tamin' i Ezra fa ny ampahany sisa kosa dia takona, ka olona vitsivitsy ihany no hahalala ny heviny (4Esdr. 14:26).