Ana (renin' i Maria)

Avy amin'i Wikipedia
Sary masina grika: i Mb Ana miaraka amin' i Maria Virjiny, sary nataon' i Angelos Akotantos

I Ana no renin' i Maria renin' i Jesoa araka ny voasoratra ao amin' ny boky apôkrifa maromaro nosoratana tamin' ny taonjato faha-2, ary noho izany dia izy no reniben' i Jesoa. I Jôakima no vadiny. Omem-boninahitra izy ao amin' ny kristianisma (ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa) ary koa amin' ny silamo. Atao hoe חַנָּה / Ḥannah izy amin' ny teny hebreo, Αννα / Anna amin' ny teny grika, ary ;حنّة / Hannah amin' ny teny arabo. Tsy resahina ao amin’ ireo Filazantsara efatra kanônika anefa izy.

Ny fanoloran-tena ho an' i Mb Ana, izay voafetra amin' ny toerana masina vitsivitsy, dia niely nanerana ny tontolo kristiana nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany. Ao amin' ny katôlisisma, ny adihevitra ara-teôlôjia dia nitarika ny dôgma momba ny Fahatorontoronina tsy azon-keloka tamin' ny taona 1854, izay mampifandray akaiky kokoa ny fivavahana atao amin' i Md Ana amin' ny an' ny Maria Virjiny. Io fanoloran-tena io dia niteraka fanehoana an-tsary maro tao amin' ny sary masina kristiana.

Ny anaran' i Ana sy ny an' i Jôiakima vadiny dia hita ao amin' ny boky apôkrifan' ny Testamenta Vaovao, ka anisan' izany ny Filazantsaran' i Jakôba (angamba nosoratana tamin' ny taona 150 taor. J.K. tany ho any) no toa voalohany indrindra miresaka momba azy ireo. Ny renin' i Maria dia resahina fa tsy voatonona anarana ao amin' ny Kor'any.