Jôakima (rain' i Maria)

Avy amin'i Wikipedia
Ny fihaonan' i Ana sy Jôakima tao amin' ny Vavahady volamena

I Jôakima dia vadin' i Ana sy rain' i Maria renin' i Jesoa, ao amin' ny lovantsofina katôlika sy ôrtôdôksa. Izy no raiben’ i Jesoa amin-dreniny.

Ny tantaran' i Jôakima sy Ana dia hita voalohany ao amin’ ny Filazantsaran’ i Jakôba, izay boky apôkrifan' ny Baiboly. Ny andro firavoravoana natokana ho azy dia ny 26 Jolay, daty atokana ho azy sy ho an' i Ana vadiny.