Zana-Kôntinenta Indiana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Zana-kôntinenta Indiana)
Firenena ao amin' ny zana-kôntinenta indiana

Ny Zana-kôntinenta Indiana na Saikanosy Indiana dia faritra ara-jeôgrafia ao Azia Atsimo, mirefy 4 500 000 km2 any ho any, izay ahitana an' i India, i Pakistàna, i Bangladesy, i Nepaly, i Botàna, i Srilanka ary ireo nosy Maldiva sy ampahan-tanin' izy ireo sy ampahan-tany fehezin' i Sina ankehitriny. Misy mponina 1 800 tapitrisa any ho any ny ao amin' ny zana-kôntinenta indiana, ka ny 1 400 tapitrisa dia monina ao India: izy no faritra eto amin' ambonin' ny tany be mponina indrindra, izay onenan' ny iray ampahefatry ny mponina maneran-tany. I Birmania koa indraindray dia tafiditra ao amin' io zana-kôntinenta io nefa ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia dia miaraka amin' i Azia Atsimo-Atsinanana izy. Noho ny antony ara-tantara dia tafiditra ao koa indraindray i Afganistàna.

Noho ny fipetrahany eo ambony sosom-bato mitokana sy noho ny fananan' izy ireo singa ara-kolontsaina iombonana no nahatonga ireo firenena ireo hakambana ao amin' io faritra io. Ny ampahany atsimo amin' ity faritra ity dia saikanosy lehibe, fa ny avaratra kosa dia misaraka amin' i Azia Afovoany amin' ny alalan' ny tandavan-tendrombohitra Himalaia izay mamorona sakana ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia eo anelanelany sy ny faritra hafa ao Azia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia[hanova | hanova ny fango]

Fizaràm-paritra hafa ao Azia[hanova | hanova ny fango]