Vilona

Avy amin'i Wikipedia
Fanamainana vilona nampiasaina tany Slôvenia manodidina ny taona 1680.

Ny vilona dia zavamaniry na fifangaroan-javamaniry ampiasaina hatao sakafon' ny biby fiompy. Matetika ny vilona dia taovan-javamaniry (ravina, taho, faka, ...) na zavamaniry manontolo izay ampiasaina amin' izy mbola vaovao maitso iny na tazomina ho maitso na somary nohamainina. Mety ho taovana avy amin' ny hazo madinika.

Ny ampahany sasany amin' ny zavamaniry dia ampiasaina ho sakafon-javamaniry aorian' ny fanodinana azy, toy ny nofon' ny betiravy fanaovan-tsiramamy na fangaron-karazan-javamaniry misy menaka. Ny vilona dia ampiasaina amin' ny famahanana ny omby, ny osy, ny ondry, ny soavaly, ny kisoa, ny rameva, ny ganagana, ny gisa, ny bitro, sns.