Jitàna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tsigàna (vahoaka))
Sainam-pirenana jitàna, noforonina tamin' ny taona 1933 sy nekena tamin' ny taona 1971.

Ny Jitàna na Rômanỳ na Tsigàna na Bôhemiana na Rôma dia vondron' olona indô-ariana, mpandehandeha mpifindra monina monina any Eorôpa ny ankamaroany, ary koa mponina am-pielezana any Amerika. Ny porofom-pitenenana sy ny fototarazo dia manondro fa ny jitàna amin' ny maha-vahoaka azy dia avy any avaratry ny Zana-kôntinenta Indiana (avy any amin' ny faritra misy an' i Rajasthan sy i Haryana ary i Punjab ankehitriny).

Niparitaka izy ireo, fa ny mponina marobe indrindra ao Eorôpa dia indrindra ny Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana ary Eorôpa Atsimo (anisan'izany i Frantsa atsimo), ary koa i Azia Andrefana (Torkia indrindra).

Ny fitenin' izy ireo, ny fiteny rômany, dia avy amin' ny fiteny sanskrita, tenenina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Zana-kôntinenta Indiana, toy ny fiteny gojaraty, ny fiteny penjaby, ny fiteny rajastany ary ny fiteny sindy.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.