Aller au contenu

Tenina

Avy amin'i Wikipedia
Tenina (Imperata cylindrica)

Ny tenina dia karazana ahitra misy rizôma, maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Atao hoe Imperata cylindrica ny anarany ara-tsiansa. Izy io dia maniry isan-taona, misy rizôma, izay mety mahatratra 1,5 m ny haavony.

Misy any amin' ny manana toetany mafana sy toetany antonony eran' izao tontolo izao izy io, maniry betsaka any Azia Atsimo-Atsinanana, any Mikrônezia, any Melanezia, any Aostralia, aty Afrika ary Eorôpa Atsimo. Nampidirina tany Amerika Latina sy tany Karaiba ary tany Etazonia atsimo atsinanana koa izy io. Zavamaniry mora mirehitra izy, afaka miely haingana amin' ny faritra voakorontana ary mahamora ny doro tanety matetika.

Ampiasaina indrindra hanaovana haingon-tanàna izy ary ampiasaina koa ny tsiraka azo avy aminy. Anisan' ny ahi-dratsy manimba karazam-boly maro izy ity ary heverina ho zavamaniry manafika any amin' ny firenena maro. Ny tenina dia tafiditra ao anatin' ny lisitry ny karazana 100 mahery mpanafika indrindra eran-tany napetraky ny International Union for Conservation of Nature (IUCN).