Doro tanety

Avy amin'i Wikipedia

Ny doro tanety na doro ala dia afo miparitaka amin' ny faritra misy ala. Mety voajanahary (noho ny tselatra na ny fipoahan' ny volkano) na avy amin' ny olombelona (niniana natao na tsy nahy sy vokatry ny tsy fitandremana avy amin' ny afo ampiasaina amin' ny fikarakarana fambolena na ampiasaina amin' ny fanadiovana na hahazoana lalana na faritra malalaka hihazana, ohatra).

Noho ny antony ara-tontolo iainana na hampihenana ny mety hisian' ny afo lehibe, rehefa mamela izany zava-misy sy ny lalàna, dia azo ampiasaina amin' ny toerana voafaritra ny "afo voaramaso".

Ny fandalinana ny arina bitika tamin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara dia mampiseho fa nandray anjara tamin' ny doro tanety maro, an-tsitrapo na tsia, hatramin' izany vanim-potoana izany ny olombelona. Na ankehitriny aza, ny ankamaroan' ny doro tanety dia fanahy iniana (fandripahana ala ho an' ny fambolena), na heloka bevava mihitsy aza. Matetika izany dia avy amin' ny tsy fitandremana (fahandroana na fanatsihana na fitonoana any anaty zavaboary, sigara, fandoroana ny tany hambolena) ary tsy any amin' ny faritra manana toetany maina ihany koa.