Asabotsy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sabotsy)

Ny Asabotsy na Sabotsy dia andro fahenina ao amin' ny herinandro manomboka amin' ny andro Alatsinainy, fa andro fahafito kosa ao amin' ny herinandro manomboka amin' ny andro Alahady. Amin' ny Malagasy mandala ny nentin-drazana dia andro fahatelo izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe Asabotsy na Sabotsy dia avy amin' ny teny arabo hoe السبت / as-sabt izay avy amin' ny teny hebreo hoe שָׁבַת / shabbat na avy amin' ny teny hebreo hoe shabbos izay samy manondro ny andro Asabotsy sady midika hoe "andro fitsaharana" na "andro fialan-tsasatra" (jereo: Sabata).

Ny andro Asabotsy eo amin' ny kolontsaina malagasy[hanova | hanova ny fango]

Laharan' ny Asabotsy ao amin' ny herinandro[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro fahatelo ny Asabotsy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.

Ny finoana momba ny andro Asabotsy[hanova | hanova ny fango]

Andro mibontsina ny Asabotsy ka fitomaniana ny maty sady fanaovana ny famoizana sy afana[1].

Ny Asabotsy mifoha Alahady (izany hoe Asabotsy alina), toy ny Alarobia mifoha Alakamisy, dia natao ho fotoana tsara fanaovan-javatra lehibe: raha mandeha hivahiny lavitra dia kendrena ny hahatongavana Asabotsy alina, ka ny marain' ny Alahady no manao izay tokony hatao ao amin' ilay toerana aleha[2].

Ohabolana momba ny Asabotsy[hanova | hanova ny fango]

  • Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Asabotsy", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy, 1985.
  2. "Alarobia", H. Rabeony sy ny namany, Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy, 1937-1963.