Romblon (tangoro-nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Ny tangoro-nosy Romblon any Filipina

Ny tangoro-nosy Romblon, izay mamorona ny Faritanin' i Romblon, dia tangoro-nosy any Filipina, ao amin' ny Faritra Mimaropa. Ny nosy lehibe ao dia ny nosy Romblon, ny nosy Tablas izay nosy lehibe indrindra, ny nosy Sibuyan ary koa ireo nosy kely kokoa (Corcuera, Banton, Concepcion, San Jose). Ny tangoro-nosin' i Romblon dia eo atsimon' i Marinduque sy i Quezon, atsinanan' i Oriental Mindoro, avaratr' i Aklan sy i Capiz, ary andrefan' i Masbate. Araka ny fanisam-bahoaka 2020 dia misy mponina 308 985 tao amin' io tangoro-nosy io.

Ny mponina ao amin' ny tangoro-nosin' i Romblon dia mizara ho vondrona ara-poko sy ara-piteny telo: ny vondrona miteny rômblômanôna (romblomanon) sy ny vondrona miteny ônhàna (onhan) ary ny vondrona miteny asy (asi). Monina ao amina nosy manokana ao amin' ilay faritany ireo vondrona ireo ary manana ny fiteniny sy ny fombany. Ny fiteny rômblômanôna no tena ampiasaina ao amin' ny tanànan' i Romblon, ao amin' ny tanàna telo ao amin' ny nosy Sibuyan, ary ao amin' ny tanànan' i San Agustin ao amin' ny nosy Tablas.

Ao amin' ny faritra atsimo amin' i Tablas (Alcantara, Looc, Ferrol, Santa Fe, San Andres, ary Santa Maria) no tena ampiasana ny fiteny ônhàna, ary koa ao amin' ny nosy San Jose. Ny tapany avaratra-andrefan' ny nosy Tablas (ao Odiongan sy Calatrava, ary koa ao amin' ny nosy Corcuera, Banton, ary Concepcion), no ampiasana ny fiteny asy.

Amin' izao fotoana izao dia miantehitra amin' ny fambolena, indrindra ny fambolena vary sy kôprà ary ny jono ny mponina ao amin' ny Faritanin' i Romblony, ho fivelomany. Manana indostrian' ny vatovandana (na marbra) be dia be koa izy io noho ny marbra italiana be dia be, noho izany, ny anarana hoe "Marble Capital of the Philippines" ("Renivohitry ny Marbran' i Filipina"). Tato anatin' ny taona vitsivitsy dia lasa toerana fizahan-tany momba ny tontolo iainana ihany koa ilay faritany, izay manana faritra misy tora-pasika fotsy maromaro, toerana fanaovana antsitrika, tendrombohitra ary ala trôpikaly izay tsidihin' ny mpizaha tany isan-taona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nosy sy vondro-nosy ao amin' ny tangoro-nosin' i Luzon: Batanes - Babuyan - Polillo - Catanduanes - Marinduque - Mindoro (indraindray koa Masbate - Palawan - Romblon).