Palawan (tangoro-nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Ny tangoro-nosy Palawan ao Filipina

Ny tangoro-nosy Palawan, izay mamorona ny Faritanin' i Palawan, dia faritany foronin-tangoro-nosy any Filipina izay ao amin' ny Faritra Mimaropa. Io no faritany lehibe indrindra ao amin' ilay firenena raha ny velaran-taniny izay mitotaly 14 649,73 km2 no heverina. Ny renivohitra sy ny tanàna lehibe indrindra any dia i Puerto Princesa izay mivondrona ara-jeôgrafia ao amin' ilay faritany nefa tsy miankina aminy. Amin' ny teny koiônôna izy dia atao hoe Probinsya i'ang Palawan, fa amin' ny teny tagalôga kosa dia Lalawigan ng Palawan.

Ny tangoro-nosy Palawan dia eo anelanelan' ny nosy Mindoro any avaratra-atsinanana sy i Borneo any atsimo-andrefana. Eo anelanelan' ny Ranomasin' i Sina Atsimo sy ny Ranomasina Sulu no misy azy. Ny nosy Palawan (09°30′N 118°30′E), izay manana halava mirefy 450 km asy sakany 50 km sady nosy lehibe indrindra ao, no nakana ny anaran' ny Faritanin' i Palawan.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nosy sy vondro-nosy ao amin' ny tangoro-nosin' i Luzon: Batanes - Babuyan - Polillo - Catanduanes - Marinduque - Mindoro (indraindray koa Masbate - Palawan - Romblon).