Mindoro

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Mindoro ao Filipina

I Mindoro dia nosin' i Filipina, nosy fahafito araka ny velarany sy fahavalo be mponina indrindra ao amin' io firenena io. Any atsimo-andrefan' ny nosy Luzon sy any avaratra-atsinanan' ny nosy Palawan no misy azy, ao amin' ny Ranomasina Sulu. Nantsoin' ny Sinoa hoe Ma-I na Mait io nosy io taloha. Ny anarana hoe Mindoro dia avy amin' ny anarana nomen' ny Espaniôla an' ilay nosy: "Mina de Oro" ("toeram-pitrandrahana volamena").

Manana velarana mirefy 10 571 km2 ary misy mponina miisa 1 408 454 araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2020. Any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Luzon sy avaratra-atsinanan' i Palawan no misy azy. Mizara ho faritany roa i Mindoro: Occidental Mindoro sy Oriental Mindoro.

Ny nosy Mindoro

I San Jose no tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay nosy, izay misy mponina 143 430 tamin' ny taona 2015. Ny morontsiraka atsimon' i Mindoro no mandrafitra ny farany avaratra-atsinanan' ny Ranomasina Sulu. Ny tendrombohitra Halcon no tampona avo indrindra ao amin' ilay nosy, izay mahatratra 2 586 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina any Oriental Mindoro. Ny tendrombohitra Baco no tendrombohitra faharoa avo indrindra ao amin' ilay nosy izay manana haavo 2 488 m any Occidental Mindoro.

Io no toerana nisy ny ampahan' ady tamin' ny Desambra 1944 atao hoe Ady tao Mindoro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]