Revôlisiôna Iraniana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Revôlisiôna silamo)
"Zaoma mainty"

Ny Revôlisiôna Iraniana, antsoina koa hoe Revôlisiôna Islamika na Revôlisiônan' ny taona 1979 dia ny revôlisiôna niseho tamin' ny taona 1979 izay nanova an' i Iràna ho repoblika islamika, nanongana ny Fanjakana Imperialin' i Iràna notapahan' ny tarana-mpanjaka Pahlavi. Nahitana Mozilmana maro anisa izany revôlisiôna izany. Ny revôlisiônera islamista dia nanohitra ny pôlitika laîka tandrefana nataon' i shah iraniana Mohammad Reza Pahlavi.

Ny mpanohana ny ayatollah Khomeini dia nikarakara hetsika hanoherana ny governemantan' ilay shah. Khomeini no lasa mpitarika vaovaon' i Iràna. Ny 98,2 % n' ny mpifidy iraniana dia nifidy "eny" tamin' ny fitsapàn-kevi-bahoaka hananganana ny Repoblika Islamika ao Iràna eo ambany fitarihan' ny ayatollah Khomeini (fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Imam Khomeini). Nosoloiny ho fitondrà-mpanjaka repoblika teôkratika ny fitondrana. Ny Tandrefana dia milaza fa manao didy jadona io repoblika io.

Tamin' ny Septambra 1980, fotoana fohy taorian' ilay revôlisiôna, dia nanafika an' i Iràna i Iràka teo ambany fitondran' i Saddam Hussein, noho ny tahotra sao hanampy ny vondrona islamista ao Iràka ny governemanta iraniana vaovao amin' ny fanonganana azy. Nanomboka ny ady teo amin' ireo firenena roa tonta ireo izany ady izany izay naharitra hatramin' ny taona 1988, ka tsy nisy nandresy na ny andaniny na ny ankilany. Izany ady izany dia fantatra amin' ny anarana hoe Adin' i Iràna sy i Iràka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]