Hankany amin'ny vontoatiny

Ravinala

Avy amin'i Wikipedia
Ravinala

Ny ravinala dia zavamaniry an-toetanin-jana-pehin-tany, ao amin' ny fianakaviana Strelitziaceae, ao amin' ny filaharana Zingiberales, avy eto Madagasikara. Atao hoe Ravenala madagascariensis ny anarana siantifikany. Be ranony, izay azo sotroina, io zavamaniry io. Io no hany karazana tokana ao amin' ny vondron-karazna Ravenala, araka ny fanasokajiana klasika.

Noheverina ho tokan-karazana ny vondron-karazana Ravenala, saingy ny fikarohana taty aoriana dia nampiseho fa misy ny karazana dimy hafa.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]
Ravinala

Mitovitovy endrika amin' ny palmie ny ravinala. Mora amantarana azy avy lavitra ny haavony (izay mety mahatratra 20 m) sy ny endriny. Milahatra ka manome endrika toy ny fikopaka ny raviny. Iangonan' ny ranon' orana ny fotony izay miendrika kapoaka ka ahafahan' ny moka manatody. Ao amin' izany rano izany koa dia ahitana karazan-javamananaina toy ny bakteria sy ny bibikely. Lehibe sy miloko fotsy ny voniny, izay mirefy 15 hatramin' ny 20 sm, miseho amin' ny volana Septambra. Ny ramanavy sy ny varikandrana no miantoka ny famindrana ny vovobony amin' ny vavimbony. Mitovy endrika amin' ny akondro ny voany izay ankafizin' ny vorona. Any amin' ny faritra atsinanana, izay mando, amin' i Madagasikara no ahitana betsaka ny ravinala. Haingam-paniry izy amin' ny toerana nikapana na nandoroana ala.

Noheverina ho tokan-karazana (Ravenala madagascariensis) ny vondron-karazana Ravenala, saingy ny fikarohana natao teto Madagasikara taty aoriana dia nampiseho tamin' ny taona 2021 fa misy ny karazana dimy hafa, dia:

  • ny Ravenala agatheae Haev. & Razanats.,
  • ny Ravenala blancii Haev., V. Jeannoda & A.Hladik,
  • ny Ravenala grandis Haev., Razanats, A.Hladik & P.Blanc,
  • ny Ravenala hladikorum Haev., Razanats., V. Jeannoda & P.Blanc,
  • ary ny Ravenala menahirana Haev. & Razanats.

Faritra ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana azy koa ny any La Réunion, ny any Maorisy, ny ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro (indrindra ao Mayotte), ny any Goiana, ny any Guadeloupe, ny any Martinique, ny any Kaledônia Vaovao, ny any Pôlinezia Frantsay, ary any amin' ny zaridainan' ny faritra an-toetanin-jana-pahin-tany (any Tailandy, any Kamerona, any Paragoay, sns) izay nampidirina avy aty Madagasikara, mba hanaovana haingon-tanàna. Zavamairy malaky mandrakotra loatra ny tany ny ravinala ao amin' ny nosy Maorisy, indrindra eny an-tendrombohitra.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Any amin' ny morontsiraka atsinanana amin' i Madagasikara dia ampiasaina amin' ny fanamboaran-trano ny ravinala: ny tahony, atao hoe falafa, dia anamboarana ny rindrin-trano; ny raviny atao hoe raty dia anamboarana firakofana. Ny vatany no ahazoana ilay atao hoe rapaka, izay anamboarana ny gorodona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]