Odessa

Avy amin'i Wikipedia
Odessa

I Odessa na Odesa dia tanàna ao atsimo-afovoany amin' i  Okraina, tanàna seranan-tsambo, ao amin' ny Ranomasina Mainty, renivohitry ny ôblastan' i Odessa. Ny isan' ny mponina tao dia 1 011 494 tamin' ny taona 2018. Atao hoe Оде́са / Odesa izy amin' ny teny okrainiana, fa Оде́сса / Odessa kosa amin' ny teny rosiana.

I Odessa dia seranan-tsambon' ny fanjonoana sy ny raharaham-barotra lehibe ao Okraina, izay azon' ny sambo idirana mandritra ny taona. I Odessa koa dia tanànan' ny taozava-baventy lehibe, toeram-pihaonanan' ny lalamby, foibe ara-kolontsaina ary toerana fialan-tsasatra amoron-dranomasina malaza. Ny taozava-baventy ao amin' ilay tanàna dia mamokatra solitany voadio, sakafo, akora plastika, fanafody ary akanjo.

Ahitana toeram-pampianarana ambony maro ny ao Odessa, anisan' izany ny oniversite, ny fampianarana manamboatra sambo sns. Io tanàna io koa dia manana tranombakoka sy teatra maromaro ary ôpera.

Zanatany grika taloha i Odessa, izay nantsoina hoe Odessos tamin' izany fotoana izany, nobodoin' ny Tatara izy tamin' ny taonjato faha-14, avy eo tonga koa ny Tiorka. Nampidirin' i Rosia ao amin' ny taniny izy tamin' ny taona 1792, izay tobin' ny tafika an-dranomasina rosiana, avy eo naorin' i Ekaterina II Lehibe tamin' ny taona 1794 ny tanànan' i Odessa. Tanàna fahatelon' i Rosia sy seranana fanondranana voamadinika voalohany tamin' ny taonjato faha-19 i Odessa, izay nodarohan' ny tafika an-dranomasina frantsay sy anglisy baomba nandritra ny Ady tao Krimea.

Tamin' ny taona 1905 i Odessa dia nitrangan' ny korontana revôlisiônera, anisan' izany ny tantara malaza momba ny sambo mpiady Potemkin. Fialofana farany ho an' ny Tafika Fotsy izay notarihin' ny jeneraly Denikin nandritra ny fanoherana ny revôlisiôna (1918-1919) i Odessa, nefa lasan' ny Tafika Mena izy tamin' ny taona 1920. Niharam-pahavoazana be ilay tanàna nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary ny Alemàna dia nibodo azy tamin' ny taona 1941 hatramin' ny taona 1944 dia nandripaka Jiosy betsaka tao.

Tamin' ny May 2014 dia nisy ny korontana goavana teo amin' ny mpanohana ny governemanta vonjimaika ao Kyiv sy ny mpanohitra miteny rosiana.

Taorian' ny fahafatesan' ny mpikatroka mpomba ny fitondrana ao Kyiv, izay maty voatifitra tao afovoan-tanàna dia niafina tao anatin' ny tranon' ny Sindikà ny mpanohana ny Rosiana, izay nenjehin' ny mpanohana ny governemantan' i Kyiv, trano izay nirehitra taorian' ny fanipazan' ny mpanao fahirano afo tao. Teo amin' ny efapolo eo ho eo ny mpomba an' i Rosia no maty noho ny fahasemporana na nodorana velona tamin' ny harivan' ny 2 Mey 2014.