Montesquieu
Montesquieu | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Montesquieu | ||
Teraka | 18 Janoary 1689 | ||
Maty | 10 Febroary 1755 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Frantsa | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Montesquieu, izay antsoina amin' ny anarana lava hoe Charles Louis de Secondat, baron de La Brède et de Montesquieu, dia filôzôfa, mpanoratra tantara lava, mpandinika pôlitika, mpialoha lalana ny sôsiôlôjia, ary mpanoratra frantsay nandritra ny Taonjaton' ny Fahazavana. Teraka tamin' ny 18 Janoary 1689 tao Bordeaux ary maty tamin' ny 10 Febroary 1755 tao Paris izy.
Tovolahy liana amin' ny siansa i Montesquieu izay namoaka ny asasoratra mitondra ny lohateny hoe Lettres persanes (1721), tantara natao amin' ny endrika taratasy ifandefasana (epistily) izay naneso ny fiarahamonina frantsay nandritra ny vanimotoan' ny Régence, araka ny fahitan' ny Persana na Persiana azy (ny Persana eto dia tsy tena nisy). Ity tantara foronina ity dia mametraka fanontaniana momba ny rafitra ara-pôlitika sy ara-piarahamonina samihafa, anisan' izany ny an' ny Persana.
Nandeha tao Eorôpa izy avy eo ary nitoetra nandritra ny herintaona mahery tany Angletera izay nandinihany ny fanjakà-mpanjaka manaraka lalàmpanorenana izay nisolo ny fanjakà-mpanjaka aotôkratika.
Niverina tao amin' ny lapa La Brède izy, nanokana ny tenany tamin' ny asa lehibe nataony izay manambatra ny tantara sy ny filôzôfia pôlitika: Considérations sur les causes de la grandeur des Romains et de leur décadence (1734) ary ny De l'esprit des lois (1748), izay namovolavolany ny fisaintsainany momba ny fitsinjarana ny abjara asan' ny fanjakana eo amin’ ireo singa samihafa mandrafitra azy, izay nantsoina taty aoriana hoe "fitsipiky ny fisaraham-pahefana”.
I Montesquieu, miaraka amin' i John Locke ankoatry ny hafa, dia anisan' ireo mpandinika ny fandaminana ara-pôlitika sy ara-piarahamonina izay ianteheran' ny fiarahamonina môderina sy liberaly ara-pôlitika. Ny fiheverany - indrindra momba ny fisaraham-pahefana - dia nanampy tamin' ny famaritana ny fitsipika fototra ao amin' ny demôkrasia tandrefana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1]