Taonjaton' ny Fahazavana

Avy amin'i Wikipedia
Famakiana ny tantaram-pijaliana nosoratan' i Voltaire, atao hoe L'Orphelin de la Chine ("Ilay Kamboty any Sina"), tao amin' ny efitranon' i Marie Thérèse Rodet Geoffrin tamin' ny taona 1755, sary nataon' i Lemonnier, 1812

Ny Taonjaton' ny Fahazavana na Vanim-potoan' ny fahazavana dia hetsika ara-pilôzôfia sy araka kaisoratra ary ara-kolontsain' ny madiotanana niaina tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-18 (hatramin' ny taona 1715 ka hatramin' ny 1789) ary mikendry ny hampiroborobo ny rasiônalisma, ny fiolonolonana ary ny liberalisma, manohitra ny fanamaizinan-tsaina sy ny finoanoam-poan' ny Eglizy Katôlika, ary manohitra ny jadon' ny fitondra-mpanjaka sy ny an' ny andriana, ka ny filôzôfia empirika sy ny toekarena anjakan' ny fahalalahana ary ny fanjaka-mpajaka manaja lalàm-panorenan' ny Anglisy no môdely.

Ny namatsy vola dia ny ankamaroan' ny sokajin' olona mpahazo ampahany amin' ny fidiram-bolan' ny mpajaka (toa an' i Claude-Adrien Helvétius) na ny mpanararaotra amin' ny tombombarotra (toy ny fivarotana andevo), ny manam-pahaizana mivory any amin' ny tranobe voahaingo (tahaka ny an' i Paul Heinrich Dietrich von Holbach), any amin' ny trano fivorian' ny framasao (tahaka ny an' ny Neuf Sœurs), sy ny manodidina ny tetikasa fandikan-teny ny rakipahalalan' i Ephraim Chambers atao hoe Cyclopaedia or Universal Dictionary of Arts and Sciences, izay nahatonga azy ireo hantsoina hoe "Encyclopedistes" (mpanoratra rakipahalalana), dia namoaka lahatsoratra, gazety sora-tanana, bokikely manakiana, tantara foronina an-tsoratra, tantara an-tsehatra. Nifandray amin' ny fitsarana prôtestanta tany Eorôpa izy ireo ka namoronana ny Repoblikan' ny Soratra (frantsay: République des Lettres).

Ny Revôlisiôna Anglisy be voninahitra tamin' ny taona 1688 dia mety ho dingana voalohany amin' izany, fa ho an' ny historiôgrafia frantsay, ny vanim-potoana manan-danja izay mifanandrify amin' ny fiafaran' ny fitondran' i Louis XIV (1643-1715) dia toy ny fitondrana vohoka azy ary ny Taonjaton' ny Fahazavana dia nanomboka amin' ny fomba nifanarahana, amin' ny taona 1715, tamin' ny nahafatesan' ity mpanjaka ity, indrindra tamin' ny fitantanan' ny solo-mpanjaka nosahanin' i Philippe, diokan' i Orléans, ary nifarana tamin' ny Revôlisiôna Frantsay. Ny mpahay tantara sasany, arakaraka ny zavatra ifotoran' ny fa,dalinany, dia mankasitraka ny zotram-potoana midadasika kokoa na latsaka (1670-1820).

Ny teny hoe "Fahazavana", ho an' ny Jiosy Maskilim, dia nataon' ny fomba fiteny hampivondronana eo ambanin' io anarana io ny fahasamihafan' ny fisehon' ny vondron-javatra, vondrom-pirehen-kevitra, vondron' mpieritreretana na vondrom-pahatsapana ary vondrona mpiantehatra ara-tantara.

Ho an' ny zavakanton' ny endrika azo tsapaina, ny Taonjaton' ny Fahazavana dia mahafaoka ny tetezamita eo amin' ny vanim-potoana klasika sy rococo ary neôklasika, fa ho an' ny mozika, avy amin' ny mozika barôka mankany amin' ny mozikan' ny vanim-potoana klasika. Avy amin' ny fampiasan' ny mpiara-belona tamin' izany fotoana izany io andian-teny io izany. Avy eo, ny fandrosoan' ny tantara ara-kolontsaina sy ara-tsôsialy sy ny fanamafisana izany nanomboka tamin' ny taompolo 1970 dia nankasitraka ny fampiasana ity hevitra mahavokatra ity izay ahafahana manao fikarohana amin' ny fomba ijerena taranja maro sy iraisam-pirenena sary mampitombo koa ny zavatra halalinina sy mihoatra ny sehatra nasiônaly.