Reny

Ny reny dia ilay vehivavy niteraka ka manan-janaka, ny lehilahy niaraka aminy kosa no ray ara-batana ho an' ilay zanaka.
Voambolana
[hanova | hanova ny fango]Ny ray aman-dreny (misaraka no fanoratra azy) no enti-milaza ny lehilahy sy vehivavy izay niteraka ny zanaka, ka antsoina amin' ny fiteny malagasy hoe "nahitana masoandro", na "masoandro amam-bolana". Tsy tokony hafangaro amin' ny teny hoe raiamandreny (soratana mikambana) izay enti-milaza olona na rafitra manana satan' ny ray aman-dreny eo amin' ny fiarahamonina noho ny haja manokana ananany, kanefa tsy niteraka tamin' ny fomba biôlôjika sady mety tsy hahitana lehilahy na tsy hahitana vehivavy akory, toy ny FFKM izay lazaina matetika hoe "raiamandreny".
Ny teny hoe neny na mama na endry no iantsoan' ny Malagasy ny reniny. Maneho ny fifandraisana akaiky sy ara-pitiavana tokoa misy eo amin' izy mianaka ireo voanteny ireo, ary mitaratra ny andraikitry ny reny eo anivon' ny fiainan' ny zanany. Avy amin' ny teny frantsay nohagasiana ny teny hoe mama, voanteny anisan' ny tononin' ny zaza voalohany koa eo amin' ny fiainany aorian' ny vaninteny hoe da sy ba. Ny voanteny hoe endry kosa indray dia any anindran-tany no tena ahenoana azy. Fahita amin' ny ankamaroan' ny dikan' ny teny hoe neny amin' ny tenim-pirenena maro eran-tany ny vaninteny ma-.
Fampiasana ny teny hoe reny
[hanova | hanova ny fango]Firenena
[hanova | hanova ny fango]Ny hoe reny no fototenin' ny hoe firenena, ary manana ny satan' ny reny tokoa ny firenena teo anivon' ny tontolo malagasy. Tamin' ny fanjanahantany teto Madagasikara, i Frantsa izay nanjanaka an' i Madagasikara dia nantsoin' ny Malagasy hoe "Reny malala".
Reny mpitondra
[hanova | hanova ny fango]Any am-pita dia misy teknika ahafahan' ny mpivady tsy miteraka sasany manana anaka amin' ny alalan' ny famokarana tsirinaina lahy sy vavy izay ampidirina ao an-kibon' ny vehivavy hafa noho ny olana mety hananan' ilay vehivavy tokony hitondra vohoka ny zanany. Ilay vehivavy mitondra vohoka ho an' olon-kafa dia antsoina hoe "reny mpitondra".
Renin' Andriamanitra
[hanova | hanova ny fango]I Maria Virjiny dia antsoin' ny fivavahana katôlika sy ôrtôdôksa hoe "Masina Maria, Renin' Andriamanitra".
Hevitra am-panoharana
[hanova | hanova ny fango]Ny teny hoe reny dia enti-milaza:
- ny loharano, ny mpamorona na ny anton' ny zavatra iray;
- izay ambony amin' ny ambaratonga;
- izay voalohany tamin' ny fiainan' ny olona iray (tenin-dreny, izay azo antsoina ihany koa hoe teny nibeazana);
- izay voalohany na izay lehibe indrindra (renipejy);
- izay rehetra mety hahazoana zanany (renivola).
Zavamananaina
[hanova | hanova ny fango]Ho an' ny biby mampinono rehetra (anisan' izany ny olombelona), dia entin' ny reny ao an-kibony ny zanany manomboka amin' ny fiforonany ka mandra-pahatongan' ny fotoana haha-vory nofo sy taova azy ka hahafahany hateraka. Ho an' ny olombelona manokana, dia eo amin' ny sivy volana eo ho eo no fotoana itondran' ny reny ny zanany ao am-bohoka, ary anondroan' ny Malagasy ny reny ihany koa ny teny hoe "nitondra folo volana".
Zazarano no iantsoana zanaka ao an-kibo raha mbola tsy teraka izy, ary ao amin' ny tranonjaza no ipetrahany. Aorian' ny fahaterahana, dia mamokatra ronono ho sakafon' ny zaza ny nonon' ilay reny.
Ho an' ny zavamanaina tsy miteraka dia ny voanteny hoe ihany koa reny no ilazana ireo nipoirana, ho an' ny sela ohatra, dia antsoina hoe reny ilay sela anankiray nizara roa ka nahazoana sela anankiroa (zanany).
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Manana andraikitra lehibe eo amin' ny fanabeazana ny zanany ny reny, ary indraindray ny sata maha reny dia omena koa vehivavy izay tsy niteraka nefa miantsoroka ny adidin' ny reny manontolo sy manabe ilay ankizy. Amin' ny ankapobeny dia eo amin' ny fananganan-jaza no ahitana izany ka mety hantsoina hoe renikely ihany koa io reny tsy niteraka io.
Manana andro iray ao anatin' ny taona natokana hankalazana azy ny reny. Eto Madagasikara, dia ny Alahady farany amin' ny volana Mey no atokana ho fetin' ny reny. Ny Anglisy koa dia mankalaza andro sahala amin' io amin' ny Alahady fahefatra aorian' ny Karemy (Mothering Sunday). Any Etazonia sy Aostralia ary Kanada dia ny Alahady faharoan' ny volana Mey no atokana ho fankalazana ny reny (Mother's Day, nampiasaina hatramin' ny faran' ny taonjato faha-21).