Kristôfania

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kristofania)

Ny kristôfania dia fisehoan' i Kristy tsy azo tsapain-tanana. Araka ny lovantsofina na ny lovam-pampianarana dia manambara ny fahitana an' i Kristy taorian' ny niakarany tany an-danitra izany teny izany, toy ny fahazavana mamirapiratra hitan' i Paoly (Saoly) tao Damaskôsy na Damasy. Ao koa ireo fisehoan' ny Anjelin' ny Tompo izay heverin' ny Kristiana sasany toa an' i Jostino Martiry fa fisehoan' ny Teny (na ny Lôgôsy), sy ny fisehoan' anjely sasany ao amin' ny Baiboly hebreo izay ampitovîn' ny Kristiana sasany amin' i Kristy talohan' ny nahatongavany ho nofo.

Misy noho izany ny andalana ao amin' ny Testamenta Taloha izay heverina fa miresaka ny fisehoan' i Kristy talohan' ny nahatongavany ho nofo, sy ny fisehoany taorian' ny niakarany any an-danitra izay resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary ny fisehoany taorian' ny nanoratana ny Testamenta Vaovao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]