Karite

Avy amin'i Wikipedia
Karite
Faritra ao Afrika anirian'ny karite
Voan' ny karite eny am-potony
Ravin' ny karite

Ny karite, izay antsoina koa hoe hazo dibera dia hazo ao amin' ny karazan-javamaniry Vitellaria, izay an' ny fianakavian-javaaniry Sapotaceae. Ny voany no ampiasaina hanaovana dibera karite. Atao hoe Vitellaria paradoxa na Butyrospermum parkii ny anarany ara-tsiansa. Maniry any amin' ny hivoka any Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany izy io ary karazan-javamniry atahorana ho lany tamingana.

Faritra ao Afrika anirian' ny karite[hanova | hanova ny fango]

Maniry any amin' ny firenena afrikana roapolo eo ho eo ny karite, any Afrika Andrefana (Maly, Borkina Fasô, Kôtidivoara, Ganà, Ginea, Nizerià, Benîno, Tôgô, Senegaly) ary koa any Kamerona, any amn' ny Repoblikan' i Kôngô, any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, any Sodàna, any Oganda, tany mivelatra mihoatra ny 5 000 km.

Dibera karite[hanova | hanova ny fango]

Ny dibera karite dia menaka zavamaniry azo hanina nalaina avy amin' ny voan' ny hazo karite. Ny dibera karite dia ampiasaina indrindra amin' ny fandrahoan-tsakafo aty Afrika sy amin' ny indostrian' ny sôkôla any Eorôpa (ho solon' ny dibera kakaô).

Fantatra ihany koa aty Afrika, sy any Eorôpa ary any Etazonia izy noho ny fampiazana azy halefahana sy hamelona ny hoditra, izay mahatonga azy io ho anisan' ny singa mirafitra ao amin' ny vokatra kôsmetika sy fanafody maro.