Aller au contenu

Ignace de Loyola

Avy amin'i Wikipedia
Ignace de Loyola
Ankapobeny
Anarana Ignace de Loyola
Teraka 24 Desambra 1491
Maty 10 Aogositra 1556
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Espaina
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Ignace de Loyola dia pretra sy teôlôjiana baska-espaniôla. Izy dia anisan' ny mpanorina ny Fikambanan' i Jesoa — atao amin' ny teny latina hoe Societas Jesu sady hafohezina amin' ny litera roa "SJ" — fikambanana (kôngregasiôna) katôlika izay neken' ny papa Paoly III tamin' ny taona 1540. Ity fikambanana ity dia nanjary zava-dehibe tokoa teo amin' ny famalian' ny ny Eglizy Katôlika ny fihozongozonana nateraky ny Fanavaozana Prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 sy faha-17.

Teraka tamin' ny 24 Desambra 1491 tao Loiola i Ignace de Loyola ary maty tamin' ny 31 Jolay 1556 tao Rôma. Atao hoe Ignazio Loiolakoa izy amin' ny teny baska, fa Íñigo López de Loyola kosa amin' ny teny espaniôla.

I Ignace no nanoratra ny Exercitia Spiritualia ("Fampiasam-panahy"), mpitarika feon' ny fieritreretana izy. Ny fiainana ara-panahy ignasiana dia anisan' ny loharanon' ny fandinihan-tena ara-pivavahana sy loharanon' ny fanavahana ara-piantsoana ao amin' ny katôlisisma.

Izy no mpitarika ny Zezoita sady mpanohana mafana fo ny Fanavaozana Tridentina, antsoina koa hoe Fanoheram-Panavaozana. Nitarika ny fikambanany ho amin’ ny asa misiônera izy, indrindra fa tany amin' ny faritra maro atao hoe India Atsinanana sy taty Afrika ary tany amin' ny zanatany espaniôla any Amerika Atsimo.

Nambaran' ny papa Gregôrio XV ho olo-masina tamin' ny 12 Marsa 1622 i Ignace de Loyola izay ankalazaina ara-litorjia isaky ny 31 Jolay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.