Aller au contenu

Pierre Favre (zezoita)

Avy amin'i Wikipedia
Pierre Favre

I Pierre Favre dia pretra tao amin' ny Fikambanan' i Jesoa na Zezoita tany Savoie ary mpiara-dia amin' i Ignace de Loyola. Teraka tamin' ny 13 Avrily 1506 tao Villaret, tanàna kely ao Saint-Jean-de-Sixt, tao amin' ny Dokean' i Savoie, ary maty tamin' ny 1 Aogositra 1546 tao Rôma, Izy no pretra voalohany tao amin' ny fikambanan' ny Zezoita, ary izy no namorona ny kôlejy zezoita voalohany. Nambaran' ny papa Pio IX ny maha olon-tsambatra azy tamin’ ny 5 Septambra 1872, ary tamin' ny 17 Desambra 2013 no nanambaràn' ny papa Fransoà azy ho olo-masina. Ankalazaina araka ny litorjia isaky ny 2 Aogositra izy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]