Aller au contenu

Baska (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Olentzero ao Gipuzkoa, Firenena Baska

Ny Baska dia vahoaka teratany hita indrindra ao amin' ny Firenena Baska, mamakivaky ny atsimo-andrefan' i Frantsa sy ny avaratr' i Espaina. Ny fifindra-monina lehiba ara-tantara dia niteraka diaspôra baska, izay niorim-ponenana indrindra any Amerika Atsimo.

Saina baska

Ny ankamaroan' ny Baska dia mipetraka any amin' ny faritany ara-tantara fito ao amin' ny Firenena Baska (20 747 km²) ary mizara eo anelanelan' i Frantsa sy Espaina, eo amin' ny tehezana roan' ny Pyrénées sy eo amin' ny sisin' ny Ranomasimbe Atlantika (Helodranon' i Gascogne).

Tamin' ny taona 2016 dia miteny espaniôla ny 48,6 %, miteny baska sy espaniôla ny 42 %, miteny frantsay ny 6,6 %, miteny baska sy frantsay ny 2,8 %, ary tsy miteny afa-tsy baska ny 0,1 %.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]