Halatra omby ao Kenià
Ny halatra omby ao Kenià dia fahita indrindra ao amin' ny ilany avaratr' ilay firenena izay faritra tena tsy mandry fahalemana. Efa an-taonany maro izao no nisian' ny halatra omby mifanesisesy, izay mampihorohoro ny mponina sady mahafaty olona an-jatony maro.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Efa hatry ny ela no nisian' ny disadisa any amin' ny ilany avaratra amin' i Kenià. Efa hatry ny ela koa no nirongo fitaovam-piadiana ny Torkana (Turkana) sy nampisy ny fangalarana omby tsy an-kijanona.
Miseho eo anelanelan' i Kenià sy i Etiôpia ny fanafihana. Vao haingana kokoa no nandray anjara amin' ny fanafihana angalarana omby ny Bôrana (Borana), araka ny lahatsoratry ny BBC[1]. Nandritra ny taona 2005 dia nihamaro ny olona avy any Etiôpia miampita an' i Kenià, ary fahita matetika ny herisetra ao amin' ilay faritra.
Tamin' ny 3 Jolay 2005 dia nanaiky tao amin' ny fivoriana iray ny governemanta keniana fa hanamafy ny ezaka fanesorana ny vahoaka mpiompy andiam-biby any amin' ny faritra avaratra. Ao amin' ny vondrom-bahoaka mpiompy andiam-biby any amin' ny ilany avaratra-andrefan' i Kenià, sy any ambadika any Sodàna Atsimo, dia ny hahazoana harena ho enti-mampaka-bady no antony lehibe voalaza fa mampitohy ny fangalarana omby. Any amin' ireo faritra ireo dia ny halatra omby no heverina fa hany fomba ahafahan' ny tovolahy maro mahazo ny ho enti-manana amin' ny fampakaram-bady[2][3].
Fanafihana vao haingana
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Avrily 2003 dia olona am-polony maro no maty ary an' arivony no nafindra toerana taorian' ny fanafihan' ny mpangalatra omby keniana tany amin' ny ilany atsinanan' i Oganda[4]. Tamin' ny 12 Jolay 2005 dia olona 61 no maty tao Kenià noho ny fanafihan' ny mpangalatra omby[1]. Tamin' ny 15 Jolay 2005 dia olona mihoatra ny 25 no maty tao anatin' ny roa andro rehefa nanao vela-pandrika sy nangalatra omby ny mpandroba ogandey[5]. Omby maherin' ny 2 000 no heverina fa nisy nangalatra tao anatin' ny iray volana. Nilaza ny kômandin' ny tafika iray fa nanomboka ny korontana rehefa nanafika ny ombin' ny foko Bôkôra mpifaninana aminy ny mpiantafika Piàna.
Nilaza ny mpitandro ny filaminana keniana fa nahafaty 18 tamin' ireo jiolahy ireo. Tamin' ny 31 Jolay 2008 dia nahafaty mpiandry omby manodidina ny 30 ny jiolahy tao amin' ny Lohasahan' i Suguta. Nifanenjehan' ny mpiandry omby ny jiolahy izay efa nangalatra ny ombiny, saingy lany bala ny mpiandry omby[6].
Tamin' ny Aogositra 2009 dia nisy fito ny voarohirohy ho mpangalatra omby ary mpiandry omby 16 taona no maty rehefa nanafika ny tanànan' i Napoi Enatuny ao amin' ny Distrikan' i Turkana Andrefana ny jiolahy[7]. Tamin' ny Septambra 2009 dia olona 31 fara fahakeliny no maty nandritra ny fanafihana an' i Mogurak, Distrikan' i Laikipia Avaratra[8]. Tamin' ny 10 Nôvambra dia olona 10 no maty rehefa nanafika ny tanànan' i Kisima ao amin' ny Kôntean' i Samburu ny mpangalatra omby samboro[9]. Tamin' ny Septambra 2022 dia 11 farafahakeliny no maty nandritra ny fanafihana tao amin' ny Kôntean' i Turkana[10].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 "Kenya's wild north: Hostile area, hostile groups", BBC, 13 July 2005
- ↑ Kimaiyo, Dvaid, In the Spirit of Service, Nairobi: Kipchumba Foundation, 2017.
- ↑ Aleu, Philip Thon & Mach, Parach (26 June 2016). "Risking one's life to be able to marry". D+C, development and cooperation. Arsiva.
- ↑ "Dozens die in Kenyan cattle raids", BBC, 11 April, 2003
- ↑ "Killings in Uganda cattle battles", BBC, 15 Jolay 2005
- ↑ Anon 2008, "Raiders shoot dead 30 herders", Daily Nation, 2 August. Nozahana tamin' ny 2 Aogositra 2008
- ↑ "Eight killed in Turkana raid", Daily Nation, August 31, 2009
- ↑ "31 killed in Laikipia cattle raid", Daily Nation, September 15, 2009
- ↑ "10 killed, six injured as raiders attack village", The Standard, November 16, 2009, Arsiva
- ↑ "Cattle rustlers kill at least 11 people during ambush in Kenya". BBC News. 25 September 2022.