Aller au contenu

Torkana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Torkana manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Torkana dia vahoaka nilôtika any amin' ny Kôntean' i Turkana any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Kenià, izay faritra misy toetany maina manamorona ny farihy Turkana any atsinanana, ny foko Pôkôta (Pokot) sy Rendily (Rendille) ary Samboro (Samburu) any atsimo, i Ogandà any andrefana, hatrany Sodàna Atsimo (misy ny foko Didinga sy Tôpôsa) ary Etiôpia any avaratra. Amin' ny tsipelina anglisy izy ireo dia atao hoe Turkana.

Topy maso ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanisam-bahoaka tao Kenià tamin' ny taona 2019, ny Torkana dia 1 016 174, na 2,14 % amin' ny vahoaka kenana, ka ny Torkana no vondrom-poko nilôtika fahatelo lehibe indrindra any Kenià, aorian' ny Kalenjina (Kalenjin) sy ny Loô (Luo), izay betsaka kokoa noho ny Masay, ary foko fahafolo lehibe indrindra any Kenia manontolo. Na dia nampiady hevitra sy nolavin' ny minisitry ny fandrindrana (Planning Minister) Wycliffe Oparanya aza io tarehimarika io tamin' ny voalohany, dia nanambara ny didim-pitsarana (7 Febroary 2012) avy amin' ny mpitsara Mohammed Warsame fa manaiky ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny 2009 momba ny Torkana ny governemanta keniana.

Mpiompy andiam-biby sady mpifindrafindra monina matetika ny Torkana, ary malaza amin' ny fiompiana rameva sy fanenomana harona sy ny mitovitovy aminy. Ao amin' ny lovantsofina am-bava, izy ireo dia manondro ny tenany ho "olon' ny omby volondavenona", araka ny lokon' ny omby misy trafo any aminy, izay nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantarany ny famolahana azy ireo ho lasa biby fiompy. Tao anatin' ny taona vitsivitsy izay, ny fandaharan' asa fanampiana amin' ny fampandrosoana dia mikendry ny hampiditra ny jono eo anivon' ny Torkana (fady amin' ny faritra sasany ao foko Torkana) izay tsy nahomby.

Fiompiana andiam-biby

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiainan' ny Torkana dia miankina amin' ny renirano maromaro, toy an' i Turkwel sy i Kerio. Rehefa tondraka ireo renirano ireo dia miely eny amin’ ny lemaka amoron-tsiraka ny antsanga vaovao sy ny rano izay ambolena aorian’ ny oram-be izay tsy fahita firy. Rehefa maina ny renirano dia misy lavaka fantsakana eo amin’ ny lalan' ny renirano; ireo dia ampiasaina amin' ny fampisotroan-drano ny biby fiompy sy hampiasain' ny olona. Vitsy, raha misy, ny lavadrano namboarina ho an' ny mponina sy ho an' ny biby fiompy, ary matetika dia fianakaviana maro no tsy maintsy mandeha ora maromaro mitady rano ho an' ny biby fiompiny sy ny tenany.

Lafiny manan-danja amin' ny kolontsain' ny Torkana ny fiompiana. Ny osy, ny rameva, ny boriky ary ny omby misy trafo no biby tena ompian' ny Torkana. Ao amin' io foko io, ny biby fiompy dia tsy natao hamokarana ronono sy hena fotsiny fa ampiasaina amin' ny fifampiraharahana momba ny sandan' ilay vehivavy hampakarina sy momba ny vodiondry. Matetika no omena osy iray ny tovolahy, mba hanombohany miompy, ary hanangona bebe kokoa izy amin' ny alalan' ny fiompiana. Raha vantany vao mahangona biby fiompy ampy izy, ireo biby ireo dia ampiasaina amin' ny fifampiraharaha amin' ny fampakaram-bady. Matetika ny lehilahy torkana no mampirafy satria ny fananany biby fiompy maro no hamaritra ny isan' ny vady azon' ny tsirairay vadina sy hovelomina.

Ny biby fiompy koa dia mitana anjara toerana lehibe amin' ny fifandraisana eo amin' ny Torkana sy ny foko mpifanolo-bodirindrina hafa ary lafiny manan-danja amin' ny ady miseho ao amin' ny faritra misy azy ireo. Fahita matetika fanafihana hangalatra ao amin' ny fiarahamonina torkana ary ny ankamaroan' ny fotoana anaovana fanafihana dia ny mangalatra ny ombin' ny foko manodidina toa ny Tapôsa sy ny Pôkôta. Amin' ny toe-javatra sasany, ny fanafihana toy izany dia mitarika fifandonana mahery vaika ka olona am-polony na an-jatony aza no maratra na maty. Ao amin' ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe Cattle bring us to our enemies: Turkana ecology, politics, and raiding in a disequilibrium system, i J. Terrence McCabe dia mitanisa tranga maromaro izay niteraka faty olona maro. Nanamarika i McCabe fa matetika no misy ny fifanafihana toy izany eo amin' ny Torkana sy ny Pôkôta (Pokot) ary toa nitombo ny fanafihana tao anatin' ny taona vitsivitsy.