Samboro (vahoaka)
Ny Samboro dia vahoaka nilôtika any avaratra-afovoan' i Kenià, izay hita koa any Tanzania. Soratana hoe Samburu nio anaran' izy ireo io amin' ny teny anglisy. Mpiompy andiam-biby fiompy sady somary mpifindrafindra monina izy ireo, izay miompy omby indrindra, nefa koa miompy ondry sy osy ary rameva. Izy ireo dia miantso ny tenany hoe Lokop na Loikop.
Ny Samboro dia miteny amin' ny fitenim-paritra samboro izay anisan' ny fiteny maa, ao amin' ny vondrom-piteny nilôtika izay ampiasain' ny zana-poko 22 hafa ao amin' ny foko Maa izay fantatra amin' ny anarana hoe Maasay na Masay.
Ny Samburu National Reserve dia iray amin' ny valan-javaboary fihazana malaza ao amin' ilay faritra. Ao anatin' ny foko Maa ao Kenià sy Tanzania, ny zana-poko Samboro no fahatelo lehibe indrindra, manaraka ny Kisônkô (Kisonko) ao Tanzania sy ny Porkô (Purko) ao Kenà sy ao Tanzania.
Nitombo ny ady mitam-piadiana teo amin' ny foko Samboro sy Pôkôta nanomboka tamin' ny taona 2010 ary saika nifantoka tanteraka tamin' ny kijana izay mihena velarana ka tsy ahafahana mampitombo isa ny omby, izay mahatratra 1 500 eo ho eo isaky ny andiany. Noho ny hain-tany miverimberina nanomboka tamin' ny taona 2010, sy ny hain-tany mahatsiravina tamin' ny taona 2017, ny ady kijana teo amin' ny roa tonta dia azy ireo tahirin-javaboary ao amin' ny Kôntean' i Laikipia. Ny ady mitam-piadiana dia amporisihin' ny mpanao pôlitika avy amin' ny andaniny sy ny ankilany izay mampiasa izany ho fitaovana ampiasain' ireto farany mba hitiavam-bahoaka azy ireo eo amin' ny vahoaka mpiompy andiam-biby.