Pôkôta (vahoaka)
Ny Pôkôta dia vahoaka monina any amin' ny Kôntean' i West Pokot sy ny Kôntean' i Baringo any Kenià ary ao amin' ny Distrikan' i Pokot any amin' ny tapany atsinanan' i Karamoja any Oganda. Amin' ny teny anglisy ny anaran' ity foko ity dia atao hoe Pokot sady azo soratana hoe Pökoot koa. Ampahany amin' ny vondrom-poko Kalenjina izy ireo.
Miteny amin' ny fiteny pôkôta, izay mitovitovy amin' ny fiteny marakoeta sy fiteny nandy, fiteny tokena ary ny fiteny hafa ao amin' ny vondrom-piteny kalenjina, ny Pôkôta. Tombanana ho 334 000 ny fitambaran' ny mpiteny pôkôta, anisan' izany ny 264 000 ao Kenià tamin' ny taona 1994 sy ny 70 400 any Oganda tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2002. Misy amin' izy ireo koa ny miteny soahily sy anglisy.
Ny foko Torkana sy Samboro ary Pôkôta dia mifangalatra omby. Nandalo vanim-potoanan' ady sy fandriam-pahalemana maro ireo vondrona ireo.