Hôrda Volamena

Avy amin'i Wikipedia
Ny fari-tanin' ny Hôrda Volamena, manodidina ny taona 1300

Ny Hôrda Volamena dia fanjakana môngôly tany am-boalohany ary avy eo dia lasa kanata torkika niorina tamin' ny taonjato faha-13 ary niainga avy any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' ny Empira Môngôly. Niantso ny tenan' izy ireo hoe Ulug Ulus -- izay midika ara-bakiteny hoe "Fanjakana Lehibe" amin' ny teny torkika -- izy ireo. Tamin' ny faharavan' ny Empira Môngôly, taorian' ny taona 1259, dia lasa kanata misaraka izy io. Antsoina koa hoe Kanata Kiptsaka izy io, ary nisolo ilay Kônfederasiôna Komana-Kiptsaka teo aloha, izay tsy dia nalamina.

Taorian' ny nahafatesan' i Batu Khan (mpanorina ny Hôrde Volamena) tamin' ny taona 1255 dia niroborobo nandritra ny taonjato iray manontolo ny tarana-mpanjakany, hatramin' ny taona 1359, na dia niteraka ady an-trano ampahany aza ny fiokoan' ny Nogai tamin' ny faramparan' ny taompolo 1290. Nitombo ny herin' ny miaramilan' ny Hôrda nandritra ny fitondran' i Uzbeg Khan (1312–1341), izay nandray ny finoana silamo. Ny tanin' ny Hôrda Volamena tamin' ny fara tampony dia niitatra avy any Siberia sy Azia Afovoany ka hatrany amin' ny ampahany maro amin' i Eorôpa Atsinanana manomboka eo amin' ny tendrombohitra Ural ka hatrany amin' ny ony Danube any andrefana, ary avy any amin' ny Ranomasina Mainty ka hatrany amin' ny Ranomasina Kaspiana any atsimo, ary manamorona ny tendrombohitra Kaokazy sy ny tanin' ny tarana-mpanjaka môngôly izay fantatra amin' ny anarana hoe "ilkanata".

Ilay kanate dia niaina korontana ara-pôlitika mahery vaika antsoina hoe "Korontana Lehibe" (1359-1381), talohan' ny nampiraisana azy vetivety teo ambany fanapahan' i Tokhtamysh (1381-1395). Na izany aza, taoriana kelin' ny fananiham-bohitra tamin' ny taona 1396 nataon' i Timur, izay mpanorina ny Empira Timorida, ny Hôrda Volamena dia nivadika ho kanate tatara maromaro kely kokoa izay nihena tanjaka hatrany. Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-15 dia nanomboka nirodana ilay Hôrda. Tamin' ny taona 1466 dia nantsoina hoe "Hôrda Lehibe" fotsiny izy. Tao amin' ny fari-taniny dia nisy kanata nipoitra ka ny ankamaroany dia kanata torkika. Ireo ady anatiny ireo dia nahafahan' ny fanjakana manompo tao avaratra, i Moskôvia, nanala ny tenany avy amin' ny "zioga tatara" tao amin' ny "fitobiana lehibe" teo amin' ny renirano Ugra tamin' ny taona 1480[1]. Ny Kanata Krimeana sy ny Kanata Kazàka, ny sisa tavela tamin' ny Hôrda Volamena, dia velona hatramin' ny taona 1783 ary 1847 avy.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny tafik' i Akhmat Khan avy amin' ny Hôrda Volamena sy ny an' ny printsy lehibe Ivan III avy any Moskôvia dia nifanatrika teo amoron' ny renirano Ugra nefa tsy niady.