Frederick William Franz

Avy amin'i Wikipedia
I Frederick William Franz ao amin'ny Betelan'i Brooklyn

I Frederick William Franz no filoha fahefatry ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, izay fantatra amin'ny anarana hoe Vavolombelon'i Jehovah. Izy no nandimby an'i Nathan Knorr teo amin'ny maha filohan'ny fikambanana. Teraka tamin'ny 12 Septambre 1893 tao Covington izy ary maty tamin'ny 22 Desambra 1992 tao Brooklyn.

Tao amin'ny fikambanana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiarahany amin'ny Mpianatra Baiboly dia nanomboka taorian'ny famakiany ny asa soratr'i Charles Taze Russell. Natao batisa ho isan'ny Mpianatra Baiboly izy tamin'ny 30 Novambra 1913[1] na tamin'ny 5 Avrily 1914, araka ny filazan'i Frantz tenany[2].

Niditra tao amin'ny foibe maneran-tanin'ny fikambanana Watchtower tao Brooklyn izy tamin'ny taona 1920, tao amin'ny tananan'i New York tamin'ny taona 1926, ka lasa mpikambana tao amin'ny komitin'ny famoaham-boky. I Frantz no teolojiana lohany tamin'ny fanomanana ny fandikan-tenin'ny Baiboly New World Translation of the Holy Scriptures.

Teo anelanelan' ny taona 1945 sy 1977 dia filoha lefitry ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ary mpikambana ao amin'ny Governing Body of Jehovah's Witnesses talohan'ny handimbiasany an'i Nathan Knorr amin'ny toeran'ny filoha tamin'ny Jona 1977. Tamin'ny Janoary 1975 izy dia nanambara ny fahataprran'izao tontolo izao amin'io taona io ihany.

Maty tamin'ny 22 Desambra 1992 tao Brooklyn tamin'ny faha 99 taonany izy. Nandimby azy i Milton Henschel.

Mahay miteny alemàna izy ary afaka mamaky teny latina sy grika. Tamin'ny faramparan'ny fotoana nahavelomany izy dia nahay fiteny espaniola sy portogey sy frantsay ary nanam-pahalalana fototra momba ny fiteny hebreo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Rewarded With the Crown of Life", The Watchtower, March 15, 1993, pp 31, 32.
  2. "Looking Back Over 93 Years of Living", The Watchtower", 1 Mey 1987, p 25