Fokon' i Asera

Ny fokon' i Asera dia iray amin' ireo foko roa ambin' ny folon' i Israely. Nomen' i Jôsoa (na Jôsoe) azy ny faritra andrefana sy amorontsirak' i Galilea. Isan' ireo foko niaraka tamin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokon' i Asera. Tamin' ny nandravan' ny Asiriana ny Fanjakan' i Samaria sy nanaovana sesitany ny mponina tao dia tsy fantatra intsony izay nanjo ny fokon' i Asera ka lazaina fa isan' ireo fokon' i Israely folo nanjavona izy.
I Asera[hanova | hanova ny fango]
I Asera (hebreo: אָשֵׁר / ʾAsher) dia zanaka fahavalon' i Jakoba. I Zilpa no anaran-dreniny izay mpanompovavin' i Lea vadin' i Jakoba. Ireto ny zanaka lahiny: Imna, Isva, Isvy ary Beria. I Sera no zanany vavy (Genesisy 46.17).
Anjara tanin' ny fokon' i Asera[hanova | hanova ny fango]
Araka ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]
Araka ny Bokin'i Josoa (na Jôsoe) dia nomen'i Josoa (na Jôsoe) ny fokon'i Asera ny faritra andrefana sy amorontsirak'i Galilea (Jos. 19.24-31). Araka ny Baiboly dia tany mamokatra ny tany nisy ny fokon'i Asera ary nalaza amin'ny famokarany menaka oliva[1]. Ny Tsodranon'i Mosesy dia naminany izany fitsinjarana ny tany izany (Deoteronomia 33.24-25) na dia mihevitra ireo manam-pahaizana fa zavatra nosoratana taty aoriana izany[2].
Araka ny mpanao tsikera[hanova | hanova ny fango]
Tsy dia mazava loatra ny tena sisin-tanin' i Asera raha ny Torah no dinihina satria mety tsy nanana tany fantatra ny fokon' i Asera[1]. Na dia nisy ny fifandraisana ara-barotra tamin' i Foinikia (Fenisia) nandritra ny tantara aza i Asera dia hoatra ny tsy nisy fifandraisana tamin' ireo fokon' i Israely hafa loatra. Tsapa koa fa tsy dia voalaza ho nandray anjara tamin' ny ady nifanaovan' ny Kanaanita (na Kananeana) tamin' ireo foko hafa ny fokon' i Asera nandritra ny ady nifanaovan' i Baraka sy i Sisera izay tantarain' ny Baiboly[1]. Ireo mpanao tsikera dia manatsoaka hevitra fa mety tsy nahita toerana teo amin' ny fitondrana pôlitika tao Israely ny fokon' i Asera[1].
Anisan' ireo fokon' i Israely nanjavona[hanova | hanova ny fango]
Isan' ireo foko niaraka tamin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokon' i Asera. Tamin' ny nandravan' ny Asiriana ny Fanjakan' i Samaria sy nanaovana sesitany ny mponina tao dia tsy fantatra intsony izay nanjo ny fokon' i Asera ka izany no ilazana fa isan' ireo fokon' i Israely folo nanjavona izy. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia lazaina fa isan' ny fokon' i Asera i Ana mpaminanivavy sy i Fanoela rainy (Lioka 2.36).
Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]
- Fokon'i Israely: Robena - Simeona - Levy - Jodà - Isakara - Zabolona - Dana - Naftaly - Gada - Asera - Josefa (Manase sy Efraima) - Benjamina.
- Fanjakan'i Israely (Samaria)