Ôliva (zavamaniry)
Fiseho
(tonga teto avy amin'ny Oliva)



Ny ôliva dia karazan-kazo ao amin' ny fianakaviana Oleaceae, fahita amin' ny deboka mediteraneana. Olea europaea ny anarany bôtanika. Ity karazan-javamaniry ity dia ambolena any amin' ny firenena rehetra any Mediteranea sy any Amerika Avaratra sy Atsimo ary Afrika Atsimo. Manan-danja amin' ny fambolena any amin' ny faritra mediteraneana ny voan' ny oliva, antsoina koa hoe "ôliva", satria loharanon' ny menaka ôliva; iray amin' ny singa fototra amin' ny sakafo mediteraneana izy io.