Fiteny velona

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny velona dia fiteny ampiasain' ny olona hifaneraserana andavanandro amin' izao fotoana izao. Izany fiteny izany dia ampiasaina amin' ny fifandraisana isan' andro ka tsy mitovy amin' ny fiteny maty toy ny fiteny latina sy ny fiteny sinoa klasika, izay ianarana amin' ny maha manan-danja azy ara-kolontsaina na ara-kaifiteny. Ny fiteny velona dia fiteny manana mpiteny iray fara-fahakeliny sady manao azy ho fiteniny voalohany.

Ny fiteny velona be mpampiasa[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny velona be mpampiasa indrindra araka ny isan' ny mpiteny teratany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voalazan' ny gazetiboky Ethnologue, 2018, ny fiteny velona fito be mpampiasa indrindra eto an-tany dia:

Fiteny lehibe indrindra ifaneraseran' ny tsy mitovy fitenin-dreny[hanova | hanova ny fango]

Raha ny fiteny valo voalohany ampiasain' ny tsy mitovy fitenin-dreny no heverina dia tsy azo antoka noho ny teo aloha ny fanasokajiana:

Raha ampidirina ny mpiteny teratany sy ny mpiteny manao azy ireo ho fiteny faharoa, esorina izay miveriba indroa, ny anjaran' ireo fiteny 14 manana mpiteny mihoatra ny 100 tapitrisa dia azo tombanana farafahakeliny ho roa ampahatelon' ny mponina eran-tany. Ireo fiteny ireo dia manome fahafahana ara-toekarena indrindra sy mitombo haingana indrindra ny isan' ny mpiteny izay manao azy ireo ho fiteny faharoa. Ireo fiteny 14 ireo atambatra dia manana mpiteny mihoatra ny 80 % amin' ny mpiteny fiteny faharoa.

Fiteny tandindomin-doza[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tandindomin-doza dia fiteny izay mihena ny isan' ny mpiteny azy ka atahorana hanjavona. Amin' ny fiteny miisa 7 000 eo ho eo eran' izao tontolo izao dia betsaka no manjavona ary mihamitombo isan-taona izany tranga izany. Ny UNESCO dia manome ireto tarehimarika manaraka ireto:

  • ny 50 % amin' ny fiteny dia atahorana hanjavona;
  • fiteny iray eo ho eo no manjavona isaky ny tapa-bolana;
  • raha tsy misy na inona na inona atao dia mety hanjavona ny 90 % amin' ny fiteny rehetra mandritra ity taonjato ity.