Aller au contenu

Fiteny tôngiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tôngiana na fiteny tôngana dia anisan' ny fiteny pôlineziana, ampiasaina any Tônga, ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Ny fiteny tônga, miaraka amin' ny fiteny anglisy, no fiteny ôfisialin' io firenena io. Anisan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ny fiteny tôngiana, ao amin' ny vondrom-piteny pôlineziana, raha ny marimarina kokoa, izay tenenina ao amin' ny vondrona antsoina hoe "Telolafy Pôlineziana" ka ny tendrony dia i Hawaii any avaratra, ny Nosin' ny Paska any atsimo-atsinanana ary i Zelandy Vaovao any atsimo-andrefana.

Na dia be mpampiasa aza ny fiteny tônga any Tônga, dia ampiasain' ny vahoaka mpifindra monina any ivelany izay betsabetsaka ihany koa izy io. Tamin' ny taona 2013, ny tao Zelandy Vaovao dia nahitana mpiteny tôngana miisa 31 839. Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny 2011 dia olona 25 096 any Aostralia no nilaza fa manam-piaviana tôngana. Tamin' ny taona 2010 dia nisy olona 57 183 any Etazonia izay nilaza fa manam-piaviana tônga.

Any Tônga dia ity fiteny ity no fitenin-dren' ny olona maherin' ny 98 % amin' ny mponina (olona maherin' ny 101 000 izany tamin' ny taona 2011), ny fitenin-dreny hafa dia ny fiteny nioafôʻôo (niuafoʻou) sy ny fiteny anglisy.

Ity fiteny ity dia soratana amin' ny tarehin-tsoratra latina, izay tsy misy afa-tsy litera 16: a, e, f, h, i, k, l, m, n, ng, o, p, s, t, u ary v. Izy io koa dia mampiasa mari-tsoratra izay mitovy amin' ny faingo mihantona mivadika (fakauʻa) izay manamarika ny feo ambavatraoka (toy izay hita amin' ny fiteny antandroy): ‹ ʻ ›. Ny fehezanteny tongiana dia mirafitra araka ny môdely: matoanteny + lazaina + fameno. Ny teny frantsay hoe tabou na ny teny anglisy hoe taboo dia teny nindramina avy amin' ny teny tôngana hoe tapu (izay midika hoe "fady").