Litera

Avy amin'i Wikipedia

Ny litera dia ny singa tsiraira ao amin' ny abidy izay natao hanehoana an-tsoratra ny teny na andian-teny ao amin' ny fiteny iray na hanehoana hevitra amin' ny alalan' ny soratra ao amin' ny sehatra iray izay tsy votery hiankina amin' ny fiteny. Ny litera ao amin' ny abidy dia mety noforonina haneho renifeo ka atao hoe renisoratra fa raha noforonina haneho zanapeo kosa izy dia atao hoe zanatsoratra. Ny renisoratra sy ny zanatsoratra dia tsy tokony hafangaro amin' ny sora-baventy sy ny sora-madinika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]