Renisoratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny renisoratra dia litera ao amin' ny abidy izay noforonina mba hanoratana ny renifeo. Ny zanatsoratra, izay litera noforonina hanoratana ny zanapeo, no mifanohitra sy mifameno aminy. Tsy ny abidy rehetra akory no ahitana fanavahana ny renisoratra amin' ny zanatsoratra satria misy ireo abidy atao hoe abjady izay tsy manana afa-tsy renisoratra ka ohatra amin' izany ny abidy hebreo sy ny abidy arabo.

Ao amin' ny abjady dia misy ny renisoratra lasa amapiasaina hanoratana zanapeo ka asolo zanatsoratra, anisan' izany ohatra ny renisoratra hebreo Alef (א) izay anoratana ny zanapeo /a/ amin' ny teny sasany. Izany no atao hoe "reni-vakiteny" (latina: Mater lectionis). Matetika koa dia misy ireo fiteny izay ahitana teny misy renisoratra tsy vakina fa moana.

Amin' ny fanoratana ny fiteny sasany (anisan' izany ny fiteny malagasy) dia misy ny renisoratra mifampibaby, izany hoe renisoratra roa na maro mifanarakaraka tsy elanelanina zanatsoratra izay matetika maneho renifeo iray. Amin' ny fiteny malagasy, ohatra, dia indreto ny renisoratra mifampibaby ampiasaina: mb, nd, ng, nk, mp, ts, tr, dr, nts, ntr ary ndr. Atao hoe "reniosoratra tsotra" kosa ny renisoratra tsy mifampibaby: b, d, f, g, h, j, k, l, m, n, p, r, s, t, v ary z.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]