Fiteny rômana andrefana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny rômana andrefana dia iray amin' ireo fizaràna roa ny fiteny rômana mifototra amin' ny tsipika La Spezia–Rimini. Anisan' izany ny sampana galô-rômana sy iberô-rômana. Azo ampidirina koa ny fiteny galô-italika. Ity fizaràna ity dia mifototra indrindra amin' ny fampiasana ny "s" amin' ny filazana maro, ny fihalemen' ny renifeo sasany ary ny fanononana ny "C malemy" ho /t͡s/ (matetika taty aoriana /s/) fa tsy /t͡ʃ/ toy ny amin' ny fiteny italiana sy fiteny romaniana.

Mifototra amin' ny fifankahazoam-piteny i Dalby raga manisa fiteny telo ambin' ny folo: fiteny pôrtogey, fiteny espaniôla, fiteny astorleoney, fiteny aragôney, fiteny katalana, fiteny gaskôna, fiteny prôvensaly, fiteny galô-valôna, fiteny frantsay, fiteny frankô-prôvensaly, fiteny rômantsa, fiteny ladîna (tsy afangaro amin' ny fiteny ladinô) ary fiteny friolana.

Ny fanasokajiana sasany dia mampiditra ny fiteny italô-dalmatiana; ny fitambarana vokatr' izany dia matetika antsoina hoe fiteny italô-rômana andrefana. Ny fanasokajiana hafa dia mametraka ny fiteny italô-dalmatiana miaraka amin' ny fiteny rômana atsinanana.

Tsy tafiditra ao amin' ny fiteny rômana andrefana na ao amin' ny fiteny rômana atsinanana ny fiteny sardiniana, satria nisaraka taloha kokoa noho ny roa.

Amin' izao fotoana izao, ireo fiteny efatra be mpampiasa indrindra amin' ny amin' ny fiteny rômana andrefana dia ny fiteny espaniôla (410 tapitrisa eo ho eo ny mpiteny teratany, 125 tapitrisa eo ho eo ny manao azy ho fiteny faharoa), ny fiteny pôrtogey (220 tapitrisa eo ho eo ny mpiteny teratany, 45 tapitrisa eo ho eo ny manao azy ho fiteny faharoa, indrindra indrindra. any Afrika Losôfôna), ny fiteny frantsay (80 tapitrisa eo ho eo ny mpiteny teratany, 70 tapitrisa eo ho eo ny manao azy ho fiteny faharoa, indrindra aty Afrika frankôfôna), ary ny fiteny katalana (7,2 tapitrisa eo ho eo). Maro amin' ireo fiteny ireo no manana mpiteny tsy teratany marobe; izany indrindra no mitranga amin' ny teny frantsay, amin' ny fampiasana miely patrana manerana an' i Afrika Andrefana ho lingua franca.