Fiteny galô-italika

Avy amin'i Wikipedia
Fitsinjarana ara-jeôgrafian' ny karazam-piteny galô-italika tsy iadian-kevitra

Ny fiteny galô-italika na fiteny galô-italiana na fiteny padàna dia fiteny rômana maromaro ampiasaina any amin' ny tapany avaratr' i Italia sy any Soisa. Izy ireo dia ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, mpanelanelana eo amin' ny vondrona galô-rômana sy italô-rômana amin' ny fiteny rômana andrefana.

Amin' ireo toetra mampiavaka ny fiteny galô-rômana dia tsikaritra ny fihalemen' ny vanin-teny tsy voatsindry (indrindra amin' ny fiteny emiliana sy ny fiteny rômaniôla), ny fikentson' ny zanapeo sasany, ny fingoboky ny renifeo mipoaka anelanelan-janapeo sy ny fihenan' ny renifeo kambana amin' ny toerana iray ihany, ny fahafoanan' ny renifeo farany ary koa ny fisian' ny karazana zanapeo boribory anoloana maro (/y, ø/). Ny toetra hafa dia ny faneno an-danilanin' ny vondrona cl-, gl-, ny faneno an-danilanin' ny ca- sy ny ga- ary ny fihazonana ny -s hatramin' ny lasa vao tsy ela.

Anisan' ny fiteny galô-italika ny fiteny piemôntey, ny fiteny lômbarda (fiteny lômbarda andrefana, fiteny lômbarda atsinanana), ny fiteny ligoriana (fiteny intemeliana sy fiteny mônegaska), ny fiteny emilian-rômaniôla (fiteny emiliana, fiteny rômaniôla), ny fiteny galô-italikan' i Basilicata, ary ny fiteny galô-italikan' i Sicilia.

Ny fiteny venetiana sy ny fiteny istriôtiana dia tsy anisan' ny fiteny galô-italika.