Fiteny italô-rômana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny fiteny italô-rômana

Ny fiteny italô-rômana dia zana-bondrona ao amin' ny fiteny rômana, izay ahitana indrindra ny fiteny italiana ampiasaina amin' ny literatiora, saingy misy fitenim-paritra maro (mihoatra ny roan-jato). Azo avahana ao anatin' izany ny vondrona roa miavaka tsara, amin' ny alalan' ny tsipika Massa-Senigallia (fantatra tsy dia marina loatra amin' ny hoe "tsipika La Spezia-Rimini"), izay mifanitsy amin' ny fizaràna ny fiteny rômana amin' ny vondrona roa lehibe: i Rômania Andrefana (anisan' izany ny fiteny italiana avaratra) sy i Rômania Atsinanana (anisan' izany ny fiteny italiana afovoany-atsimo sy farany-atsimo). Vokatr' izany, amin' ny ankapobeny dia sarahana amin' ny fiteny italiana avaratra (fiteny galô-italika sy ny fiteny venetiana) ny fiteny italô-rômana amin' ny heviny hentitra, izay tafiditra ao amin' ny fiteny italô-dalmatiana.