Fiteny rômana atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
Faritra onenan' ny mpiteny rômana atsinanana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21

Ny fiteny romana atsinanana dia vondrom-piteny rômana. Amin' izao fotoana izao ilay vondrona dia ahitana ny zana-bondrona rômana balkana, izay ahitana ny fiteny romaniana (fiteny dakô-rômaniana), ny fiteny aromaniana ary fiteny madiika roa hafa mifandraika amin' izany, dia ny fiteny meglenô-romaniana, ary fiteny istrô-romaniana.

Ny fanasokajiana sasany koa dia ahitana ny fiteny dalmatiana izay efa maty (raha tsy izany dia tafiditra ao amin' ny vondrona italô-dalmatiana) ho anisan' ny zana-bondrona balkanô-rômana, izay iheverana ny fiteny dalmatiana ho tetezana mampisaraka ny fiteny italiana sy ny fiteny romanina.