Fiteny dalmatiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny dalmatiana na fiteny dalmatika dia fiteny maty ao amin' ny vondrom-piteny rômana, ary ao anatin' ity vondrona ity dia ao amin' ny fianakaviam-piteny efa lany tamingana antsoina hoe "fiteny ilirô-rômana". Vokatry ny fidiran' ny fomban' ny fiteny rômana tao amin' ireo fiteny iliriana, ny fiteny dalmatiana dia notenenina teo anelanelan' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha sy ny faran' ny taonjato faha-19 tany Dalmatia, manamorona ny Ranomasina Adriatika, manomboka amin' ny tanànan' i Fiume ka hatrany amin' ny Hoalan' i Cattaro (morontsirak' i Krôasia sy Môntenegrô ankehitriny).