Fiteny mandeana vaovao

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny mandeana vaovao, izay antsoina indraindray hoe "ratna" (avy amin' ny teny arabo hoe: رطنة / raṭna), dia endrika vaovaon' ny fiteny mandeana, izay fiteny litorjika ao amin' ny finakaviambe ara-pivavahan' ny Mandeana any Iràka sy any Iràna. Fivavahan' ny vitsy an' isa manam-pototra gnôstika ny mandeisma. Ny fiteny mandeana dia ampahany amin' ny sampan' ny fiteny arameana atsinanana, ao amin' ny vondrona semitikan' ny fiteny afrô-aziatika. Antsoina koa hoe mandayi, sabiun, subba na sabe'in izy io.

Na dia tandindonin-doza mafy aza io fiteny io dia mbola velona amin' izao fotoana izao amin' ny maha fiteny voalohan' ny Mandeana vitsivitsy azy (mety miisa 100–200 eo ho eo) any Iràna sy any am-pielezana. Ny mpiteny mandeana vaovao rehetra dia miteny amin' ny fiteny maro an' ny mpifanolo-bodirindrina aminy, toy ny fiteny arabo sy ny fiteny persana, ary ny fiantraikan' ireo fiteny ireo amin' ny fitsipitenin' ny fiteny mandeana vaovao dia lehibe, indrindra amin' ny voambolana sy ny endriky ny anarana. Na izany aza, ny fiteny mandeana vaovao dia mihazona toetra tranainy kokoa na dia amin' ireo lafiny ireo aza, raha ampitahaina amin' ny ankamaroan' ny fiteny arameana vaovao hafa.

Hita ao amin' ny fianakaviamben' ny Mandeana ao Khuzestan Iraniana any Korramshahr sy Ahwaz, ary any Etazonia ny mpiteny azy io. Efa lany tamingana izao ny mpiteny amin' ny karazany any Iràka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]